Fanabeazana : Nasongadina ny anjara toeran’ny mpanabe nandritra ny Andro maneran-tany ho an’ny Mpampianatra
Nankalazaina maneran-tany ny 5 oktobra ny Andro maneran-tany ho an’ny Mpampianatra. Teto Madagasikara, tao amin’ny ANS Ampefiloha no nanamarihana izany, ka niara-nivory tao ireo mpampianatra sy ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana, izay mpikambana ao anatin’ny kaonfederasiona sendikaly SEMPAMA. Nampiavaka ny fotoana ny hafatra momba ny firaisankina sy ny ezaka fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana.
Ny mpampianatra no ivon’ny fanabeazana
Isan’ny nivoitra nandritra io fihaonana io ny fankasitrahan’ny filohan’ny kaonfederasiona sendikaly SEMPAMA, Raharovoatra Claude, ny fiheverana manokana ny mpampianatra ataon’ny fitondrana Fanavaozana. Isan’ny voalaza tamin’izany ny fandraisana ho mpiasam-panjakana sy ireo karazana tambin-karama, na ho an’ny mpampianatra mpiasam-panjakana, na ireo amin’ny sekoly tsy miankina.
Nanome voninahitra ny lanonana ihany koa ny Masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO any Paris, Ramatoa Razanamahasoa Christine. Nambarany tamin’ny lahateniny fa mbola maro ireo fanamby atrehin’ny mpampianatra eo amin’ny fanatanterahana ny asany andavanandro. Anisan’izany ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, ny fepetra entina miasa ary ireo fitaovana ilaina amin’ny fanatanterahana ny andraikitra. Na izany aza, nohamafisiny fa mendrika ny hankasitrahana ny fahavononan’ny mpampianatra sy ny fahafoizan-tenany amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora.
Mbola manana ny toerany ny maha-olona manoloana ny teknolojia
Niresaka ihany koa momba ny fivoaran’ny teknolojia vaovao ny solontenan’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO. Araka ny nambarany, na dia mandroso aza ny faharanitan-tsaina voatrolombelona (IA), dia tsy afaka manolo ny andraikitry ny mpampianatra izany. Ankoatra ny fampitana fahalalana mantsy dia manana anjara toerana amin’ny fampitana soatoavina sy fanohanana ny mpianatra eo amin’ny fivoarany ihany koa ny mpanabe. Mijanona ho fototra amin’ny asan’izy ireo ny lafiny maha-olona.
Tamin’ity andro ity dia nohamafisin’ireo mpandray anjara ny maha-zava-dehibe ny mpampianatra eo amin’ny rafi-panabeazana, ary ny tokony hanohizana ny ezaka hanatsarana ny toe-piasany sy ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara.





