Faritra Fitovinany : Raikitra ny "Festival Misebosebo" andiany voalohany, any Manakara
Hetsika vaovao sady goavana ao amin’ny faritra Fitovinany. Any Manakara ny fotoana, ny 19 hatramin’ny 23 desambra ho avy izao, amin’ny Festival Misebosebo.
Manomboka amin’ity taona 2026 ity ny Festival Misebosebo. Hetsika andiany voalohany hanandratana ny faritra Fitovinany.
Fireharehana amin'izao tontolo izao
Ny voambolana hoe "misebosebo" dia midika hoe "mireharereha". Tanjon'ny hetsika araka izany ny hireharereha sy hanandratra ny harena ao Fitovinany : ny tanora sy ny fahaiza-manao, ny vokatra ao an-toerana, ny kolontsaina sy ny fizahantany ary ny tontolo iainana. Mazava hoazy, mpandray anjara sy mpitsidika an'alina no andrasana, mba hampiroboroboana ny ekonomia sy ny sosialy ao an-toerana. Hasandratra ihany koa ny kolontsaina, ka hisy ny fampahafantarana sy fanaovana ireo fomba malagasy any amin'ny faritra fitovinany.
Samy hahazo ny anjarany ny sokajintaona rehetra mandritra ny 5 andro. Hanokafana ny hetsika ny "Carnaval" lehibe, hampisehoana fitafy, dihy, fombafomba sy fanentanana samihafa. Hisy ny fandaharam-potoana samihafa, toy ny fitsidihana ireo toerana manan-tantara, ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena sy hatsaran-tarehy, ny valan-dresaka sy fifanakalozana ary ny fambolenkazo. Hisokatra tsy an-kiato kosa ny foara, izany hoe varotra sy fampirantiana, mandritra ny hetsika.
Hetsika tsara omana
Efa tamin'ny taona 2025 no nokasaina ny "Festival Misebosebo" andiany voalohany. Noho ny toe-draharaha teto amin'ny firenena nefa, voatery najanona aloha izany fandaharam-potoana izany. Amin'ity taona 2026 izany no hanombohan'ny hetsika, izay efa voafaritra ho tontosaina ny 19 hatramin’ny 23 desambra. Ny zanaky ny faritra Fitovinany sy Atsimo-Atsinanana no mpikarakara sy tompon-danonana, saingy anasana ny rehetra avy amin'ny lafy valon'ny nosy sy avy any ivelany ny hetsika. Vonona avokoa na ny mpikarakara na ny mpanohana. Anisan'ireo manohana izany "Festival Misebosebo" izany moa ny Yas Madagascar sy ny MVola ary ny Ministeran'ny Kolontsaina.
Ampy tsara ny fotodrafitrasa handraisana ireo vahiny hoavy. Marihana mantsy fa vao tsy ela akory izay no nandray ny ASIEF na fifaninana ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakana i Manakara. Entanina kosa nefa izay manam-pikasana hanotrona mba hamandrika mialoha ny fitaterana sy ny trano fandraisambahiny.





