Bakalôrea 2027 : Tsy azo ihodivirana ny fanovana, fa sokajiana ho "option" ny A, C ary D
Nifarana tamin’ny marimaritra iraisana ny fifampidinihana teo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ary ireo solontenan’ny sekoly tsy miankina, momba ny fanovana hampiharina amin’ny Bakalorea 2027. Tsy azo ihodivirana ny sokajy L, S ary OSE, saingy hisy « options » azon’ny mpiadina isafidianana ao anatin’ireo sokajy ireo.
Tazonina ireo sokajy fototra miisa telo
Nihaona tamin’ny Plateforme des Directions Nationales de l’Enseignement Privé (PDNE) ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, ny 1 oktobra 2026 lasa teo. Nifanarahana tamin’izany fa tsy azo ihodivirana ny fampiharana ny fandaharam-panabeazana vaovao, saingy hapetraka ny fandaminana manamora ny tetezamita, ho an’ny Bakalorea 2027.
Mijanona ho sokajy telo hatrany no fototra amin’ny fanadinana, dia ny L (Littéraire), S (Scientifique) ary OSE (Organisation, Société et Économie). Ao anatin’ny sokajy L kosa dia hisy ny "option" L, A1 ary A2. Ao amin’ny sokajy S dia ho afaka misafidy amin'ny option S, C ary D ny mpianatra. Ny sokajy OSE dia mijanona ho OSE.
Namafisin’ny MESUPRES fa tsy midika ho fiverenan’ireo « séries » taloha izany, fa fandaminana natao hanamorana ny fampiharana ny rafitra vaovao. Ny diplaoma Bakalorea dia mbola havoaka amin’ny anaran’ireo sokajy telo, izany hoe : Série L, Série S na Série OSE.
Handray anjara feno ny tsy miankina
Ho an’ny Bakalorea ankapobeny dia hisy ny adina an-tsoratra, ny fisafidianana amin'ireo tenim-pirenena vahiny, na ilay antsoina hoe : LV2 (Deuxième Langue Vivante), ary ny adina ara-pabatanjahantena. Ny faharetan’ireo fitsapana sy ny "coefficients" hampiharina amin’ny taranja tsirairay dia hofaritana amin’ny alalan’ny « arrêté conjoint » havoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ary ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Araka ny fanazavana, ny Oniversite no hanome ny diplaoma Bakalorea ankapobeny, ho an’ireo mpiadina mahomby amin’ny iray amin’ireo sokajy telo.
Namafisina nandritra ny dinika ihany koa ny fandraisan’anjaran’ireo sekoly tsy miankina amin’ny famolavolana ny laza adina sy ny fanatanterahana ny fanadinana. Ity marimaritra iraisana ity no natao, dia mba hiantohana ny fampiharana milamina kokoa ny fanavaozana amin’ny Bakalorea 2027.




