• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fiaraha-monina : Nahitana fihenana ny tranga na fakana ankeriny olona manana toe-tena varira tamin’ity taona ity

05/07/2024 15:31 © Moov

Nankalazaina androany ny andro maneran-tany hiarovana ny olona manana toe-tena varira. Nilaza ny fikambanan’izy ireo, ny « Albinos Madagascar » fa nahitana fihenana ny tranga na fakana ankeriny ireto olona ireto tamin’ity taona ity raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa.

Manomboka tsikelikely ny fampiatiana

Efa miditra tsikelikely eny anivon’ny fiaraha-monina ireto olona manana toe-tena varira ireto. « Amin’izao fotoana izao dia 20 % amin’ny fiaraha-monina no efa ahitana olona manana toe-tena varira tsy iharan’ny fanavakavahana. Ny tanjona lehibe indrindra amin’izao dia ny hampiditra tanteraka anay ao anatin’ny fiaraha-monina sy eo amin’ny sehatry ny asa ”, hoy i Soja Fulgence, Filohan’ny Fikambanana Albinos Madagascar. Efa mizotra tsikelikely mankany amin’izany tanjona izany amin’izao fotoana izao ny asa. Efa manomboka miha-betsaka ohatra ireo orinasa mampiditra ireny olona ireny handray anjara amin’ny asany. Etsy andaniny dia ao anatin’ny asa ihany koa ny fandriam-pahalemana ho an’ireo olona ireo. Efa miroso amin’ny tsara ihany koa izany. Nihena ny tranga tao anatin’ny roa taona nisesy. Niisa 25 ny tranga fakana ankeriny ny taona 2022 ary 7 no maty, nihena ho 21 izany ary 5 no maty ny 2023. Tamin’ny enim-bolana voalohany ho an’ny 2024 kosa dia miisa 10 ny tranga ary 3 no maty. Mbola tsy tratra tsara ny tanjona fa efa miroso mankany amin’ny tsara anefa ny asa.

Tsy mahafa-po ny valim-pitsarana

Nanamarika ireto mpikambana ireto fa tsy mahafa-po ihany koa ny valim-pitsarana. « Mila hamafisina ny fanenjehana ireny olona manao herisetra amin’ny olona varira ireny. Maro ny tranga miseho fa matetika tsy mahafa-po foana ny valiny », hoy hatrany ity Filoha ity. Anisan’ny nanamarihany izany ny tranga tao Amboasary. Ireo mpanao herisetra indray no lasa mampitahotra ireo mponina rehefa tsy nigadra izy ireo. Etsy andaniny anefa dia matetika misy aina hafoy hatrany ireny tranga ireny isan-taona. Manaraka akaiky ny raharaham-pitsarana hatrany ity Fikambanana ity mba hahafahana miaro ireo varira. Marihina fa efa aman-jatony amin’izao fotoana izao ireo mpikambana ao.

Lire la suite

Articles Similaires