• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © Bbc
Image
Vaovao

Lalàna mandrara ny fampiasana harona plastika : Mametraka ny polisin’ny tontolo iainana ny MEDD

04/07/2024 16:59 © Moov.Mg

Tsy mbola hita taratra loatra eto Madagasikara ny fiantraikan’ilay Didim-panjakana laharana faha 2014-1587 tamin’ny 7 oktobra 2014, izay mandrara ny famokarana, fampidirana ary famarotana sy ny fampiasana ny harona plastika. Misy ny ezaka tanterahan’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, mba tena hihatra tokoa io lalàna io.

Toy ny haben’ny « carte bancaire »

Nomarihina omaly, toy ny isaky ny 3 jolay, ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tsy fampiasana harona plastika. Napetraka indrindra ity andro ity, mba hampahatsiahivana ny olona fa mandoto ireny plastika ireny, ka tokony hoferana ny fampiasana azy. Miteraka aretina ho an’ny vatan’olombelona ny fahatafidiran’ny singa madinika plastika (microplastique) any anaty any. Amin’izao vanin’andro iainantsika izao anefa, ao anatin’ny herintaona, ny olombelona iray dia mety hihinana plastika mitovy habe amin’ireny « carte bancaire » ireny, noho ireo singana plastika madinika tonga any anaty vatana, hoy ny fanamarihana nentin’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), Rasamoelina Moïse (Valim-panadihadiana nampanaovin’ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana WWF, ny oniversiten’i Newcastle Aostralia, mitondra ny lohateny hoe : « Plastic Diet », nivoaka ny taona 2019, Ndlr). Isan’ny antony nandrarana ny fampiasana ny harona plastika latsaky ny 50 microns eto Madagasikara izany, nanomboka tamin’ny volana aprily 2017.

Fanentanana sy fanabeazana

Tsy tena misy fampiharana azy tanteraka anefa io Didim-panjakana io, fito taona aty aoriana. Ny tsy fisian’ny mpitandro ny filaminana tena hanatanteraka ny fampiharana azy no olana, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny MEDD. Ankehitriny, ny ministera dia mametraka ny « Officier de Police Judiciaire de l’Environnement », izay hanao ny fanaraha-maso mikasika ny fampiharana ny lalàna miompana amin’ny tontolo iainana. Etsy an-daniny anefa, hoy hatrany ny fanazavana, dia efa nisy hatrany ny fanentanana sy ny fanabeazana nataon’ny MEDD, ny amin’ny tsy tokony hampiasan’ny rehetra harona plastika vaovao isaky ny miantsena, fa azo atao tsara ny mampiasa azy ireny im-betsaka. Tena tsara ihany koa raha mirona amin’ny karazana harona hafa, toa ireo vita malagasy. Mifandraika amin’izay dia ao anatin’ny tetikasan’ny MEDD ny fametrahana ivon-toerana fanodinana fako (centre de tri et de valorisation des déchets), manerana ny faritra maro eto Madagasikara, mba hanodinana ireo fako ho lasa zavatra misy vidiny. Hotokanana atsy ho atsy ny ivon-toerana any Toamasina, araka ny fampahafantarana nataon-dRasamoelina Moïse.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo