• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fandidiana fo misokatra : Miisa 60 ireo ankizy miandry fandidiana amin’izao fotoana izao

04/07/2024 16:30 © Moov

Ankoatra ireo efatra izay efa nodidiana ny volana may lasa teo dia efa miisa 60 indray amin’izao fotoana izao ireo ankizy kely miandry fandidina fo misokatra. Voalohany eto Madagasikara ity ka izany no maha betsaka ireo ankizy mila izany amin’izao fiantombohany izao.

Natao fitiliana manokana

Fitiliana manokana mihitsy no atao amin’ireo ankizy hodidiana fo ao amin’ity toeram-pitsaboana vaovao ity. Nanazava ny Tale Jeneralin’ny CENHOSOA, ny Jeneraly Willy Ratovondrainy, fa tsy maintsy mandalo fitiliana maro hahafahana mamantatra hoe ho didiana sa ho tsaboina ilay zaza. Amin’izao fotoana izao dia efa 60 ireo zaza miandry ny fandidiana azy. Ankoatra izany dia efa misy ihany koa ireo zaza marary no entin’ireo Ray aman-dReniny mivantana. Raha ny fanambaran’ny Filohampirenena dia maro ireo zaza mitady ity fitsaboana ity eto Madagasikara.

Ho karohina ireo marary

Hanampy betsaka ny Malagasy ny fikambanana Chaine de l’Espoir amin’ity andraikitra lehibe ity. Ankoatra ny fandefasan’izy ireo mpitsabo vahiny hiara-hiasa amin’ny mpitsabo Malagasy. Hiparitaka manerana ny Nosy ihany koa izy ireo hitady ireo zaza marary rehetra. « Hanatanteraka fitetezam-paritra ny ekipan’ny Chaine de l’Espoir sy ny ekipan’ny CENHOSOA. Hikaroka ireo zaza marary izy ireo amin’ny alalan’ny fitiliana », hoy hatrany ny fanazavana. Anjaran’izy ireo rehefa avy eo no mandahatra ny fotoana hanatanterahana ny fitsaboana sy ny fandindiana raha ilaina izany.

Hisy fitsaboana fon’olon-dehibe

Nanamarika ity fotoana ity ihany koa ny vinan’asa amin’ny ho avy. « Miankina tanteraka amin’ny fahavononan’ny olombelona sy ny fitaovana no hahafahana miroso amin’ny fitsaboana fon’olon-dehibe saingy efa anatin’ny programan’asa avokoa izany », hoy hatrany ny fanazavan’ity Tale Jeneraly ity. Nilaza ity tompon’andraikitra voalohany ity fa efa manomboka mitombo ny aretina fahatsetsenan’ny lalandra madinika manondraka ny fo. Mila fitaovana ny fitsaboana izany ka tsy maintsy miankina amin’izay hatrany no hahafahana mampiditra ity fitsaboana ity. « Ilaina ilay cardiologie interventionnel izany hoe ilay fampiasana appareil radiographie, mitily manokana ny lalandràn’ny fo sy hahazoana mitsabo ny fahatsetsemana », hoy ny fanazavana. Araka izany dia mbola maro ny fepetra takiana hahafahana mampiditra ity fitsaboana ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo