• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fandotoana eto Madagasikara : Tompon’antoky ny 22,3%-n’ny taham-pahafatesana

04/07/2024 16:03 © Moov.Mg

Manodidina ny fito tapitrisa ny isan’ny olona maty isan-taona, eran-tany, vokatry ny fandotoana, araka ny antontan’isa navoakan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) tamin’ny taona 2018. Voakasik’izany i Madagasikara, antony nametrahana ny tondrozotra ho fitantanana ny fandotoana.

Mahakasika sehatra telo

Tsy afa-bela amin’ny loza ateraky ny fandotoana i Madagasikara, izay nahitana fitombon’ny mponina an-tanàn-dehibe maherin’ny 4,6% nandritra ny roapolo taona. Tompon’antoka amin’ny 22,3%-n’ny taham-pahafatesana eto amintsika ny fandotoana, araka ny salan’isa navoakan’ny fikambanana tsy miankina Pure Earth. Sehatra telo no voakasik’izany fandotoana izany dia ny tany, ny rivotra ary ny rano. Miantraika eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana, ny lafiny ara-tsosialy ary ny lafiny ara-toekarena izany fandotoana izany. Ny tsy fahampian’ny rafi-pitantanana ny fako na avy any an-tokantrano, na indostrialy, na ny hafa koa, miampy ny tsy fahampian’ny fanabeazana ho olom-pirenena sy ny fanabeazana ara-tontolo iainana ny mponina, dia vao mainka mampitombo ny fandotoana.

Rafitra ho fitantanana ny tontolo iainana

Ho fanatanterahana ny Satan’ny Tontolo Iainana Malagasy nohavaozina (Charte de l'Environnement Malagasy actualisée), dia tena ilaina ny fametrahana rafitra ho fitantanana ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’izany ny famolavolana antontan-kevitra mamaly ny laharam-pahamehana nasiônaly eo amin’ny fitantanana ny fandotoana. Nanomboka tamin’ny taona 2020 no efa nametrahana izany tetikasa izany ary tamin’ny taona 2022 no nanatanterahana ny fifanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) sy ny GAHP (Global Alliance on Health and Pollution) izay mpiara-miasa aminy ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Isan’ny mpiara-miombon’antoka ihany koa ny OMS sy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF). Tafiditra ao anatin’ny mpamolavola sy mpanatanteraka ihany koa ny firaisamonim-pirenena sy ny fikambanana maro ary ny sampan-draharahan’ny ministera isan-tsokajiny.

Fandraisana fanapahan-kevitra

Tonga eo amin'ny dingana fankatoavana ny tondrozotra ho fitantanana ny fandotoana eto Madagasikara, ka androany 4 jolay 2024 no nanatanterahana ny atrikasa momba izany, teny Antaninarenina. Drafitra ao anatin'ny folo taona no voaresaka ao anatin’io tondrozotra io, izay miompana amin’ny fandrindrana mba hampaomby ny asa fitantanana sy ny ady amin'ny fandotoana eto Madagasikara. Rehefa vita izany fankatoavana izany dia hivadika ho tahirin-kevitra lasitra, tari-dalana, famaritana ara-paikady eo amin'ny resaka fandotoana, ary ho fitaovana hanampy amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ho an'ireo rehetra voakasika, ity tondrozotra ity. Raha fehezina, izy ity no hamaritra ny lalana hizoran’i Madagasikara amin'ny ady amin'ny fandotoana amin'ny endriny rehetra izay mety hatrehina amin'ny ho avy. Ny atrikasa fankatoava notontosaina androany kosa dia fotoana iray nahafahana nikaro-bahaolana amin'ny olana momba ny fandotoana, ary nanomezana andraikitra ireo rehetra voakasika amin'ny ady amin'ny fandotoana eo amin'ny sehatra nasionaly.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo