• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Vaovao

Filohan’ny FMF : « Mizotra mankany amin’ny fandraisana ny fifanintsanana amin’ny CAN amin’ny septambra ny fanarenana ny Kianja Barea »

03/07/2024 16:38 © Moov

Efa mitohy indray amin’izao fotoana izao ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina. Nanamarika ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra (FMF), Alfred Randriamanampisoa fa efa mizotra mankany amin’ny fandraisana ny lalao amin’ny volana septambra ny asa. Hojerena avokoa ireo pitsopitsony rehetra amin’ny fangatahan’ny Kaonfederasiona Afrikanina ny Baolina Kitra (CAF) sy ny Federasiona Internasionalin’ny Baolina Kitra (FIFA).

Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa

Nanamafy hatrany ity Filohan’ny FMF ity fa mizotra araka ny andrandraina ny fanatanterahana ny asa. Ankoatra ny kianja filalaovana baolina dia tsy maintsy ho jerena avokoa ny fangatahana napetraky ny CAF sy ny FIFA. « Manantena isika fa handray ny lalao hifanintsanana amin’ny CAN ny volana septambra izao eto amin’ity kianja ity », hoy izy tamin’ny fanazavana. Hatao ny ezaka rehetra izay hahatongavana amin’izany tanjona izany. Efa mandroso ny asa ao anatin’ny kianja amin’izao fotoana izao. Mitohy ny fanesorana ireo bozaka hahafahana manolo azy indray. Etsy andaniny dia nanamarika ity filohan’ny FMF ity fa tsy ambakan’ny kianja FNB ao Afrika Atsimo ity kianja ity rehefa vita ny fanarenana rehetra. Hampifanarahana amin’ny fangatahan’ny FIFA sy ny CAF fotsiny dia tokony milamina isika.

Miisa 8 eo ho eo ireo asa fanarenana

Tsara ny mampatsiahy fa mbola miisa 8 ireo asa fanarenana araka ny fangatahan’ny CAF sy ny FIFA. Sombiny amin’izany ny fanarenana ny bozaka eo amin’ny kianja. Ao anatin’izany ihany koa ny fanamboarana ny fiarovana ireo mpitsidika sy mpijery eny ivelan’ny kianja. Anisan’ny zava-dehibe ihany koa ny fanavaozana ny fisoloan’ireo mpilalao akanjo ao anatin’ny kianja. « Hojerena tsirairay avokoa ireny asa rehetra ireny. Rehefa vita ny fanarenana sy fanatsarana rehetra dia vonona handray ny lalao ny Kianja Barea Mahamasina », hoy hatrany ny fanamarihana. Manaraka ny fenitra hapetrak’ireo sampana roa lehibe ireo no tena tanjona lehibe indrindra amin’ity fanarenana ity.

Tokony efa voaomana ny teti-bola

Tsy dia nilaza ny votoatin’ny teti-bola ampiasaina amin’ity asa ity moa ny Filohan’ny FMF. Nomarihina kosa anefa fa efa tokony hilamina izany rehetra izany. « Miankina amin’ny Fitondram-panjakana iny resaka teti-bola iny fa manantena isika fa efa milamina io », hoy hatrany ny tenany. Araka izany dia vantany vao vita io kianja io dia handray io lalao anisan’ny lehibe amin’ny septambra io ny tanjona.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo