• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

Majunga en Fête 2024 : Fifaninanana ara-panatanjahan-tena sy hetsika ara-kolontsaina maro

03/07/2024 16:30 © Moov.Mg

Miditra tsikelikely ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra isika. Tanàna isan’ny safidian’ny maro i Mahajanga mba hihatahana kely, rehefa vanim-potoana toy izao. Ao anatin’izany indrindra no ikarakaran’ny Ofisim-paritry ny Fizahantany ao Mahajanga ny « Majunga en Fête 2024 ».

Hetsika maro isan-karazany

Hetsika maro no karakaraina any an-toerana ny 5, 6 ary 13 jolay 2024 izao. Ny 5 jolay dia hiompana amin’ny famelaberaran-kevitra momba ny fizahan-tany, ny jono ary ny toekarena manga ny fotoana, amin’ny maraina. Ny tolakandro kosa dia hiara-hientana ny rehetra hanadio ny moron-dranomasina eny amin’ny Village Touristique. Hatokana ho an’ny fanatanjahantena kosa ny andron’ny 6 jolay. Isan’ny andrasan’ny maro ny « Lomay be », izay dia an-tongotra 5km, ny hazakazaka ao anatin’ny halaviran-dalana 5km ihany koa ary ny fifaninana hazakazaka ho an’ireo mpandroso sakafo (garçons de café), izay isan’ny nahasarika maro tamin’ireo andiany teo aloha. Hisy ihany koa ny dihy « Zumba », izay hotanterahina eny amin’ny Village Touristique. Amin’io andron’ny 6 jolay io hatrany dia hisy ny hetsika miompana amin’ny hazan-dranomasina, « Festival des Fruits de Mer », izay hahafahan’ny rehetra manandrana ireo hazan-drano mampiavaka an’i Mahajanga, sy mihinana izany amin’ny vidiny mirary. Ny « cabaret », haka endrika nentim-paharazana, no hamaranana ity « Majunga en Fête 2024» ity, ao amin’ny Coco Lodge.

Fampiroboroboana ny fizahan-tany

Tanjon’ny hetsika ny hampiroboroboana ny fizahan-tany ao an-drenivohitr’i Boeny. Manankarena ara-kolontsaina tokoa mantsy i Mahajanga, ka mendrika ny hotsidihina. Mahatamana ihany koa izy, indrindra rehefa vanim-potoanan’ny ririnina toy izao, noho izy mijanona ho mafana hatrany. Raha tsiahivina dia 573 km no manasaraka an’Antananarivo amin’i Mahajanga. Ahitana trano fandraisam-bahiny maro ao an-toerana, ka samy afaka misafidy, araka ny fahefana eo am-pela-tanany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo