• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Fanadinam-panjakana BEPC : Nanamafy ny fepetra fitandroana ny filaminana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena

03/07/2024 15:05 © Moov

Nanao fanambarana maika ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tao amin’ny pejy facebook an’izy ireo. Vaolaza tamin’izany fa mandray andraikitra hatrany amin’ny tranga fanakorontanana ny fanadinam-panjakana izy ireo. Etsy andaniny anefa dia tsy voalaza tao ny tena anton’izany saingy nampitandrina ireo izay mikasa hamboly korontana izy ireo.

Handraisana fepetra avy hatrany

Voalaza tao anatin’io fanambarana io fa mampitandrina ireo mikasa hamboly korontana ny Minisitera. Miara-miasa amin’ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Ministeran’ny fitsarana izy ireo ka tsy maintsy handraisana fepetra ireo izay minia manao izany. Raha ny vaovao farany dia vokatr’izany fiaraha-miasa izany no nahafahana nisambotra ireo mpampianatra sy mpianatra miisa 18 mianadahy tany amin’ny faritra Sofia. Tratra nandika ny laza adina matematika izy ireo ary nandraisana fepetra avy hatrany. Nahato tamin'ny asany avy hatrany sy tsy nampanohizana fanadinana intsony na ireo mpianatra, na ireo mpampianatra tamin’io fotoana io. Tsara ny mampatsiahy fa tsy afaka miatrika fanadinam-panjakana mandritra ny dimy taona izay tratra manao izany fandikan-dalàna izany. Marihina anefa fa ny alahady talohan’ny nanombohan’ny fanadinam-panjakana no efa nahitana ireny laza adina miparitaka manerana ny tambazotra ireny. Anisan’ny fanetry ben’ny firenena ihany koa ireny ka tokony handraisana fepetra na mety ho marina na mety ho diso ny laza adina izay haparitany.

Saika ny taranja rehetra

Ankoatra ireto efa tratra tamin’ny taranja matematika ireto dia efa nisy ihany koa ireo ankizy no nilaza nahita laza adina tamin’ny taranja tantara sy jeografia sy ireo taranja hafa. Zava-miseho mateti-pitranga ary tokony hikarohana vahaolana maharitra ihany koa ity seho famoahana laza adina mialohan’ny fotoana ity. Ao anatin’ny fitandroana ny filaminana hatrany anefa dia manentana ireo mpisehatra amin'ny fanadinam-panjakana mba hanao ny asany, ary ny mpianatra tsy ho voasarika amin'ny toetra mamohehitra ny Minisitera. « Mitovy tantana ny fandraisana ny mpianatra rehetra ka na iza na iza manao ny tsy mety dia mitovy hatrany ihany koa ny sazy ho an’izy ireo », hoy hatrany ity fanambarana ity. Azo lazaina anefa fa nilamina ihany ny fanadinam-panjakana BEPC tamin’ity taona ity. Hifarana rahampitso izany ary fara-fahatarany roa herinandro dia mivoaka ny valim-panadinana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo