• Cours de change
  • 4815.99 AR
  • |
  • $4469.92 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fahasalamana : Mitohy indray ny ady amin’ny aretina azo sorohana amin’ny alalan’ny vakisiny

03/07/2024 13:42 © Moov

Vao iray volana izao ilay hetsika natao hiadiana amin’ny aretina lefakozatra farany. Miverina indray izany ary tanterahina manerana ny Nosy ny hetsika, ady amin’ny aretina azo sorohina amin’ny alalan’ny vakisiny. Hanomboka ny 9 hatramin’ny 12 jolay 2024 izao indray izany manerana ny Nosy.

Zaza latsaky ny 15 taona

Miverina hatrany ity hetsika ity. Antsoina indray ny Ray aman-dReny hitondra ny zanany latsaky ny 15 taona handray ny vakisiny miaro amin’ny lefakozatra. Marihina fa aretina iray azo sorohina ity aretina ity. Etsy andaniny anefa dia mety hitondra takaitra ny zaza voan’izany aretina izany raha tsy voaaro mialoha. Izany indrindra no handraisana ity hetsika ity ho zava-dehibe. Ny zaza rehetra izay mbola tsy nahazo izany vakisiny izany no tsy maintsy ampisitrahina isaky ny hetsika toy izao. Tsara ny mampatsiahy fa mbola betsaka ny zaza no mbola mitondra takaitra noho ity aretina ity eto Madagasikara raha ny antontan’isa farany. Marihina moa fa zaza sy ankizy miisa sivy amby efapolo ambi-zato sy arivo sy dimy alina sy valo hetsy sy roa ambiny folo tapitrisa (12 851 149) no ho tratrarina omena vakisiny amin’ity taona 2024 ity. Mbola hitovy hatrany paikady. Hitety trano ireo mpanao vakisiny hikaroka ireo zaza latsaky ny 15 taona rehetra. Anatin’ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra rahateo izao ary mety hanamora ny fitsirihana ireo zaza sy ankizy rehetra izany.

Fizarana fanafody samihafa

Mifandray amin’ity hetsika mandritra ny efatra andro ity dia hisy ihany koa ny fizarana fanafody samihafa ho an’ny zaza sy ny ankizy. 𝖬𝗂𝖺𝗋𝖺𝗄𝖺 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 f𝖺𝗇𝗈𝗆𝖾𝗓𝖺𝗇𝖺 𝗏𝗂𝗍𝖺𝗆𝗂𝗇𝖾 𝖠 𝗁𝗈 𝖺𝗇’𝗇𝗒 𝗓𝖺𝗓𝖺 𝟨 𝗄𝖺 𝗁𝖺𝗍𝗋𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝟧𝟫 𝗏𝗈𝗅𝖺𝗇𝖺 𝗄𝖺 𝗆𝖻𝗈𝗅𝖺 𝗍𝗌𝗒 𝗇𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝖺𝗄𝖺 𝗂𝗓𝖺𝗇𝗒 𝗍𝖺𝗈 𝖺𝗇𝖺𝗍𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝖾𝗇𝗂𝗆𝖻𝗈𝗅𝖺𝗇𝖺 ity hetsika ity. Ho hita manerana ny Nosy ihany koa izany hetsika vaovao izany. Ankoatra izay anefa hisy fizarana 𝖿𝖺𝗇𝖺𝖿𝗈𝖽𝗒 𝗆𝗂𝖺𝗋𝗈 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 « 𝖿𝗂𝗅𝖺𝗋𝗂𝗈se » 𝗇𝖺 𝗈𝗇𝗀𝗈𝖻𝖾 𝗁𝗈 𝖺𝗇’𝗇𝗒 𝟤 𝗍𝖺𝗈𝗇𝖺 𝗇𝗈 𝗆𝗂𝖺𝗄𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗇𝗒 𝟣𝟢 𝗄𝖺 𝗁𝖺𝗍𝗋𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝟣𝟥 𝗃𝗈𝗅𝖺𝗒. Hisitraka izany kosa ny ao 𝖬𝖺𝗋𝗈𝖺𝗇𝗍𝗌𝖾𝗍𝗋𝖺, 𝖠𝗇𝗍𝗌𝗈𝗁𝗂𝗁𝗒, 𝖬𝖺𝗇𝖽𝗋𝗂𝗍𝗌𝖺𝗋𝖺, 𝖠𝗇𝖺𝗅𝖺𝗅𝖺𝗏𝖺, 𝖡𝖾𝖿𝖺𝗇𝖽𝗋𝗂𝖺𝗇𝖺 𝖺𝗏𝖺𝗋𝖺𝗍𝗋𝖺, 𝖲𝖺𝗆𝖻𝖺𝗏𝖺, 𝖠𝗇𝗍𝖺𝗅𝖺𝗁𝖺, 𝖵𝗈𝗁é𝗆𝖺𝗋 ary 𝖠𝗇𝖽𝖺𝗉𝖺.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo