• Cours de change
  • 4794.55 AR
  • |
  • $4463.91 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fampivoarana ny kanto malagasy : Hira maherin’ny efatra alina no azo henoina ao amin’ny Moozik

02/07/2024 16:05 © Moov.Mg

Manaraka ny fivoaran’ny teknôlôjia maoderina ny tontolon’ny zava-kanto. Tahaka izany, ohatra, ny fahafahana mihaino hira any anaty habaka. Malaza maneran-tany ny sehatra toy ny Deezer sy ny Spotify. Ankehitriny, manana ny Moozik ihany koa mpihira malagasy.

Manome sehatra ny mpanakanto malagasy

Rindrambaiko am-pinday (application mobile) noforonin’ny orinasa Manoova ny Moozik ary iarahany miasa amin’ny orinasan-tserasera Telma Madagascar ny fampiroboroboana izany. Sehatra fihainoana mozika miendrika « streaming », toa ireo efa malaza sy be mpampiasa maneran-tany, ny Moozik, fa ny mampiavaka azy dia natao ho an’ny mpanakanto malagasy ranofotsiny. Manodidina ny efatra alina isa ny hira voarakitra ao anatiny, ka azo henoina amin’ny alalan’ny fampiasana ilay rindrambaiko am-pinday. Mbola hitombo izany, araka ny nambaran-dRajaonarivelo Rajo, tale jeneralin’ny Manoova. Na ny hira ankehitriny, na ireo hira efa tranainy, sanganasan’ny mpanakanto malagasy, dia azo henoina ao anatin’io sehatra io avokoa. Tanjona amin’izany ny hanomezana laka ny kanto malagasy, izay difotra ao anatin’ireo hira vahiny an’aliny maro, rehefa mampiasa ireo rindram-baiko am-pinday vahiny. Raha fehezina dia fitaovana malagasy, noforonin’ny malagasy ary manome vahana ny mpihira malagasy ny Moozik.

Tolotra karazany telo

Amin’ny maha-rindrambaiko am-pinday azy dia alaina (télécharger) any amin’ny sehatra mahazatra, toy ny « Google Play Store » na « Apple Store », ny Moozik. Misoratra anarana avy eo ary misafidy tolotra Telma ahafahana mihaino ny hira. Misy karazany telo ireo tolotra niarahan’ny Manoova sy ny Telma namolavola ireo, dia ny DATA MOOZIK iray andro, amin'ny vidiny 500 Ar, ahazoana 30 Mo ; ny DATA MOOZIK 7 andro, amin'ny vidiny 3 000 Ar, ahazoana 250 Mo ary ny DATA MOOZIK 30 andro, amin'ny vidiny 10 000 Ar, ahazoana 1 Go. Ankoatra ny fihainoana hira dia misy karazany maro ireo azo atao ao anatin’ny Moozik, toy ny mametraka hafatra, ny mizara any anaty tambajotran-tserasera… Fa ny isan’ny mampiavaka azy dia ny fahafahana manao « karaoke » amin’ireo hira voarakitra ao anatiny. Tsara ny mahlala fa misy ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny Manoova amin’ireo artista sy amin’ny Ofisy Malagasy misahana ny zon’ny Mpamorona (OMDA), amin’ny famokarana sy fampiasana ity rindrambaiko am-pinday ity, ka ahafahan’ireo mpanakanto mampidi-bola ny Moozik, isaky ny misy mihaino ny hirany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo