• Cours de change
  • 4794.55 AR
  • |
  • $4463.91 AR
Copyright Image : © Narcisca
Image
Vaovao

Ady amin’ny fanondranana harem-pirenena : Manana mpanome angom-baovao 4.000 isa ny Alliance Voahary Gasy

02/07/2024 15:37 © Moov.Mg

Manan-danja lehibe eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny vondron’olona eny ifotony, amin’ny fanomezana ireo angom-baovao, ahafahana misoroka ny fanondranana ireo harena voajanahary. Miara-miasa akaiky amin’izy ireo, sy ny firaisamonim-pirenena rehetra, ny ministeran’ny Tontolo Iainana.

Tambajotran’ireo mpanome vaovao

Tafakatra 26 ireo tranga fanondranana harem-pirenena teto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny taona 2024, ka niisa 5.383 ny sokatra, 48 ny varika, ary 100 isa ny vontaky (pachypodium). Manampy betsaka amin’ny fahatrarana fanondranana an-tsokosoko tahaka izao ny firaisamonim-pirenena sy ny vondron’olona ifotony. Ny Alliance Voahary Gasy (AVG) sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy izao dia efa niara-niasa efa ela, amin’ny fanomezana angom-baovao. Olona miisa 4.000, miparitaka manerana ny Nosy, no mifandrimbona amin’izany fanomezana vaovao izany, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny AVG, Razakamanarina Ndranto. Miara-manamafy ny tambajotran’ireo mpanome vaovao ireo ny ministera sy ny AVG, satria tsy adin’ny ministera irery ny fiarovana ny harem-pirenena fa ady iombonan’ny mpiray tanindrazana rehetra, hoy ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), Rasamoelina Moïse. Sady mamelona ny toekaren’ny firenena mantsy ireo harena voajanahary ireo no maha-Madagasikara an’i Madagasikara ihany koa, hoy hatrany izy.

Fampiharana ny lalàna

Isan’ny mampirongatra ny fanondranana an-tsokosoko tato ho ato, araka ny fanazavan’ny ministeran’ny Tontolo Iainana, ny fitomboan’ny filàna eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny any Azia no tena mihamaro ireo olona mitady biby tsy fahita firy. Etsy an-daniny, tsy mampihemotra ny mpanao heloka ny Fitsarana ny raharaha mikasika ny tontolo iainana, izay maro no vitavita ho azy eny. Mitoroka izany ny AVG, ary manao antso avo amin’ny Fitsarana mba tena hampihatra ny lalàna rehefa misy mpanondrana an-tsokosoko tratra. Nambaran’ny filohan’ny AVG ihany koa fa matoa tafavoaka ny harem-pirenena, dia misy ny kolikoly avo lenta. Nilaza kosa moa ny avy eo anivon’ny MEDD fa maro ireo fanovana nentina tao anatin’ny volana vitsy, toy ny fampandraisana andraikitra ny olona eny ifotony, ny fanetsehana ireo mpiara-miombon’antoka ifotony, ny fanamafisana ny fisavana eny amin’ny lalam-pirenena… Iarahana miasa amin’ireo mpitandro ny filaminana, Ministera hafa sy tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo