• Cours de change
  • 4794.55 AR
  • |
  • $4463.91 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Zava-kanto : Omena sehatra ny sary hosodoko, mandritra ny volana jolay

02/08/2024 13:02 © Moov.Mg

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy omaly 1 jolay hariva, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny iray volan’ny sary hosodoko, ho an’ity taona 2024 ity.

Hetsika fampirantiana maro

Tanjon’ny fitondram-panjakana ny tsy hisian’ny sehatra ara-kolontsaina ho adino, fa ezaka hatao ny hampiroboroboana ny sehatra ara-kolontsaina misy rehetra, araka ny fanazavan’ny Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Fetra Rakotondrasoava, tao anatin’ny lahateniny, nandritra ny fanokafana amin’ny fomba ôfisialy ny iray volan’ny sary hosodoko. Araka izany, manokana iray volana ity ministera ity, mba ho fanomezana lanja ny sary hosodoko, mandritra ny volana jolay iray manontolo. Ao anatin’izay fotoana izay dia hisy hetsika fampirantiana hosodoko, hiparitaka amin’ireo toerana maro miara-miasa na miankina amin’ny ministeran’ny Kolontsaina. Isan’izany ny eny amin’ny tany malalaka eny Ambohimanga Rova. Tahaka izany koa ny eny amin’ny tokontanin’ny Rovan’i Madagasikara. Rehefa mifarana kosa ny volana jolay, dia havondrona ao amin’ny Ivokolo Analakely ireo sary hosodoko rehetra naranty, ho famaranana ity iray volana ity.

Manana ny ho aviny

Manan-talenta ny mpanakanto mpanao hosodoko malagasy, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, saingy mila tosika ny mpanao hosodoko tanora sy zandriny. Fotoana indrindra, ahafahana manome voninahitra ireo mpamorona sy hanosehana talenta vaovao, izao iray volan’ny sary hosodoko izao. Tanjona ihany koa ny handrisihana ny Malagasy hitodika any amin’ny sary hosodoko, izay kanto mahay mamoha fihetseham-po miavaka. Araka ny nambaran-dRakotondrasoava Fetra rahateo, dia manana ny ho aviny tanteraka ny tontolon’ny sary hosodoko malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo