• Cours de change
  • 4794.55 AR
  • |
  • $4463.91 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Zon’ny ankizy : Nanamafy ny fiaraha-miasa ny UNICEF sy ny Fanjakana malagasy

02/07/2024 08:32 © Moov.Mg

Nandray ny delegasiônan’ny filàn-kevim-pitantanan’ny tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly, ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nahafahana nifanakalo hevitra momba ny fiaraha-miasa enti-manohana ny zon'ny ankizy, ity fihaonana ity.

Niakatra ny taham-pisitrahana vaksiny

Mitsidika an’i Madagasikara ankehitriny ny filàn-kevim-pitantanan’ny UNICEF, tarihin’ny filohany, Ernest RWAMUCYO. Tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ity delegasiôna ity ny dinika niarahana tamin’ny filohan’ny Repoblika, momba ny vaksiny, ny fanabeazana, ny olan'ny toetr'andro ary ny olana hafa mahakasika ny ankizy sy ny fiarahamonina… Nampahafantarin’ny Filoham-pirenena an’ireto vahiny tonga nitsidika ireto, ireo dingana rehetra efa vitan’ny Fanjakana Malagasy, momba izay zon’ny ankizy izay. Isan’izany ny fiakaran’ny tahan’ny fanaovam-baksiny ny ankizy, izay raha tany amin’ny 35% nandritra ireny fotoanan’ny valanaretina covid-19 ireny, dia efa tafakatra 86 % ankehitriny. Tanjona napetrak’i Madagasikara moa ny hanatrarana ny taha 90%. Isan’ny ezaka natao, tao anatin’izay lafiny fanaovam-baksiny izay, ny fametrahana vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ao anatin’ny fandaharanasa PPSB (Préparation aux Pandémies – renforcement des secteurs sociaux de base), ka ny Faritra 23 no misitraka azy.

Fampiroboroboana ny fanabeazana

Eo amin’ny lafiny fanabeazana, dia isan’ny noresahan’ny filoha Andry Rajoelina, ireo karazana fotodrafitrasa naorina tao anatin’ny fotoana nitondrany ny firenena. Efitranon-tsekoly 4 198 isa no tafajoro, mba hositrahan’ny mpianatra 200 000 isa. Rakibolana sy boky fianarana miisa 10 tapitrisa ihany koa no voazara. Etsy an-daniny, mpampianatra 40.000 isa no nampidirina ho mpiasam-panjakana ary mpampianatra miisa 100 000 no nisitraka tohana ara-tsôsialy. Nanohana ny Fanjakana malagasy tamin’ny fizarana « kits scolaires » an’arivony maro, ahitana kitapo, kahie, sy fitaovana isan-karazany ny UNICEF. Nivoitra tamin’ity fihaonan’ny filàn-kevim-pitantanan’ny UNICEF sy ny filoham-pirenena ity, fa vonona ny hiara-hiasa ny roa tonta mba hampanjary ny zon’ny ankizy sy mba hanatsara kokoa ny fiainan’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo