• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Fanjifana : Hamafisina ny kalitao sy ny fiarovana ny mpanjifa amin’ireo entana rehetra misy

01/07/2024 15:37 © Moov

Mitohy ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny varotra sy ny fanjifana (MIC) hiarovana ny mpanjifa. Hamafisina ny fanentanana ireo mpisehatra rehetra manodidina ity varotra sy fanjifana ity. Ireo fitaleavam-paritra rehetra manerana ny Nosy no miara-misalahy amin’izany asa izany.

Mandray andraikitra ny mpanjifa sy ny mpandraharaha

Anisan’ny teboka noraisina manokana ny fanentanana ny mpanjifa sy ny mpandraharaha rehetra eo amin’ny sehatry ny varotra. « Mba hialana amin’ny fandorana na fanariana ireny entana ireny dia mila mandray andraikitra ny tsirairay. Ny mpanjifa mijery tsara ny zavatra vidiany sy mitoroka izany raha mahita tranga. Ny mpandraharaha kosa dia mijery ireo entana tsara kalitao mba omena ny mpanjifa. Tsy tokony ho entana efa akaiky fe-potoana izany », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny MIC, Rasamoely Ranoelimanana Vahinisoa.
Raha hampahatsiahivina dia nisy entana maromaro nandraisana fepetra indray ny herinandro teo. Voasary simba sy lo miisa 6556 sy Cube calnort simba sy lany daty 151 baoritra no voakasik’izany. Voasoroka ny loza sy ny aretina mety ho azo amin’ny fanjifana entana simba sy lany daty ao anatin’izany hetsika izany. Raha ny fantatra ihany koa dia ireo orinasa mpamokatra ilay entana no nisafidy hiantso ny minisitera tamin’izany varotra hosoka izany. Ny fihetsika toy izany no andrasana indrindra amin’ny olona rehetra voakasiky ny varotra.

Fiaraha-miasa amin’ny « Bureau de Norme de Madagascar »

Miara-miasa amin’ny rafitra samihafa ny ministera amin’ity asa fiarovana ny mpanjifa ity. Manamafy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny Bureau de Norme de Madagascar ihany koa izy ireo amin’izao. Ity sampana iray ity no manara-maso ny fenitra tsara tokony hananan’ireo entana amidy rehetra eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny dia nametraka ihany koa izy ireo fa samy manana ny fenitra takiana aminy avokoa, na ireo mpanjifa na ireo mpivarotra. « Alohan’ny hividianana zavatra iray dia tokony efa mahafantatra ny toetoetran’ireo entana hovidiany ny mpanjifa. Ireo mpanafatra ihany koa anefa tokony manana entana manaraka ny fenitra vantany vao miainga any amin’ny nihaviany ny entana », hoy ny Tale Jeneralin’ny BNM, Séraphin Razafimahafaly. Etsy ankilany anefa dia ilaina ihany koa ny ezaka hamenoana ny banga. Tokony ho ampy hatrany ny safidy amin’ny karazan’entana samihafa rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo