• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Contrôle De La Rage Dans La Cua
Image
Vaovao

Ady amin’ny haromotana : Fokontany 18 hanaovana fanisana alika mirenireny eto Antananarivo

01/07/2024 14:36 © Moov

Manatanteraka fanisana ireo alika mirenireny manerana ny fokontany miisa 18 ao aminy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (KAR). Isaky ny maraina amin’ny 6 ora hatramin’ny 7 ora isan’andro no hanatanterahana izany. Efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo izany hetsika izany. Hahafahana mahafantatra ny isan’ireo alika misy eto amin’ny tanàna sy hiadiana amin’ny haromotana no tanjon’izany hetsika izany.

Fitandremana amin’ny haromotana

Ankoatra izao hetsika fanisana ireto alika ireto izao dia efa manatanteraka fanentanana eny anivon’ny sekoly isan-tsokajiny eny ny KAR. Isan’izany ohatra teny amin’ny EPP Antsahabe sy ireo EPP samihafa manerana ny Renivohitra. Tsy miova ny tanjona fa hiarovana ny olona tsirairay amin’ny haromotana avy amin’ireny alika mirenireny mety hanaikitra ireny. Nanamarika ny avy ao amin’ny KAR fa misy hatrany ny fitarainana amin’ny olona voakaikitry ny alika eto andrenivohittra ka izany no antony hanisana azy ireny. Aorian’izao hetsika izao dia mety hiditra amin’ny fanentanana fanaovam-bakisiny indray izy. Na ireo alika mirenireny na ireo ompiana isan-tokantrano dia tokony samy hatao vakisiny avokoa hiarovana mialoha amin’ny haromotana. Etsy andaniny dia tsara ny manamarika fa mety hahafaty ny olona voakaikitra sy ilay aliaka nanaikitra ny haromotana.

Fitaovana manara-penitra no ampiasaina

Manodidina ny roapolo ireo mpiasan'ny fanisana, ahitana mpianatra ho mpitsabo biby miisa folo sy solontena folo avy ao amin'ny KAR. Nanaraka fiofanana tao anatin’ny tetikasa CORAMAD (tetikasa fanarahamaso ny haromotana eto Madagasikara) momba ny tanjon'ity hetsika ity izy ireo. Nianarana nandritra izany ihany koa ny fampiasana ny fitaovana WVS novolavolain'ny missionrabies.com. Tao ihany koa ny fitaovana fanaraha-maso antsoina hoe "𝑇𝑟ansect" izay hahafahana manaraka ny toerana misy ny alika mirenireny tsirairay. Teny amin’ny biraon’ny talem-paritry ny CIRAD eny Ampandrianomby no nanatanterahana izany, nialoha ny nidinan’izy ireo teny amin’ny fokontany Andraisoro nanombohana ny fanisana alika mirenireny.
Marihina moa fa ity tetikasa CORAMAD ity dia dia miara-miasa amin’ny CIRAD aty atsimon’i Afrika sy Madagasikara, ny Institut Pasteur de Madagascar ary ny masoivoho frantsay eto Madagasikara no mamatsy vola. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny CUA – Kaominina tanàn-dehibe Antananarivo kosa ny fanatanterahana ny tetikasa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo