• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Sehatry ny angovo : Lany teny anivon’ny Antenimierampirenena ny volavolandalana mikasika ny Tetikasa Ranomafana

01/07/2024 12:19 © Moov

Lany nandritra ny fivoriambe teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ny herinandro lasa teo ny volavolandalana faha-003/2024 mifehy ny Tetikasa Ranomafana. Miompana amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny rano (centrale hydroélectrique) eny amin’ny Reniranon’Ikopa izany tetikasa izany.

Kaominina 4 sy Distrika 2

Hamaha olana ho an’ny faritra maro eto Antananarivo sy ny manodidina ity tetikasa ity. Raha ny fanazavana avy amin’ny Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo izay nitondra ny famelabelarana ny momba ny tetikasa. Ho an’ny kaominina miisa 4 sy distrika 2 ao anatin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA) ity tetik’asa ity. Ao anatin’izany ny Kaominina Ambohimasina, Mahitsy, Antotohazo, Marotampona ao anatin’ny Distrikan’ny Ambohidratrimo sy Arivonimamo. Ireo rehetra ireo izay tafiditra ao anatin’ny Faritra Analamanga sy Itasy. Hanana tanjaka 64 MW ary hamokatra 311 GWh isan-taona ity tetikasa Ranomafana ity rehefa hampandehanina amin’izay. Orinasa SINOHYDRO no miara-miasa amin’ny Fanjakana amin’ny fananganana izany. Tanjona amin’ity Tetikasa ity ny hampitombo ny tahan’ny fisitrahana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo madio, maharitra sy amin’ny vidiny takatry ny besinimaro, ary ny fampandrosoana ara-toekarena.

Mitentina 239 tapitrisa dolara

Mitentina 239 tapitrisa dolara mahery ny fampiasam-bola hanatanterahana ny Tetikasa. Findramam-bola amin’ny « Exim Bank » any Sina izany lelavola ilaina amin’ity tetikasa ity izany. Etsy andaniny dia ny orinasa JIRAMA no hiandraikitra ny fotodrafitrasa vantany vao vita io. Marihina fa efa misy ampahany mandroso amin’izao fotoana izao ity tetikasa ity. Anaty fikarakarana ny fiarovana ny tany (sécurisation foncière) ankehitriny ireo tompon’andraikitra. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo Ben’ny Tanàna voakasiky ny tetikasa, dia notolorana jiro « cobra » roa avy ny ao amin’ny Kaominina Ambohitromby sy Antotohazo. Izany no fanambarana avy ao amin’ny Ministera. Tombanana ho amin'ny taona 2028 ny famokarana herinaratra voalohany amin’ny alalan’ny tetikasa raha ny vinan’ny Ministera hatrany.
Raha tsihivina dia miisa roa ireo volavolandalana mikasika ny angovo nolaniana teny amin’ny Antenimierampirenena. Samy lany avokoa izany tetikasa roa izany. Ankoatra ity Ranomafana ity dia eo ihany koa ny Tetikasa Angovo. Miompana amin’ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny Faritra Androy, Anosy, Melaky, Menabe. Manampy ireo ny Distrikan’i Betioky, Ampanihy ary Toliara II.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo