• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Fitaterana : Hisokatra rahampitso ny fivilian-dalana eo amin’ny reniranon’ny Mahavavy Ambilobe

01/07/2024 10:49 © Moov

Hisokatra manomboka rahampitso talata 2 jolay amin’ny dimy ora sy sasany ny fiviliandalana namboarina eo amin’ny reniranon’ny Mahavavy. Efa mamarana ny asa ireo mpiasa any an-toerana amin’izao fotoana izao. Nanamafy ihany koa ny Praiminisitra Ntsay Christian nandritra ny fidianana tany an-toerana ny amin’ny hanafainganana ny asa.

Misokatra amin’ny alina irery ihany

Mbola tsy tomombana tsara hatreto ity asa fanamboarana ity. Araka izany dia misy ny fepetra noraisina hahafahana manafaingana ny asa sady manala ny fahasahiranan’ireo mpampiasa lalana. Araka izany dia misokatra ary azo hifamezivezen’ireo mpampiasa lalana ny toerana amin’ny alina. Mikatona kosa izany amin’ny andro atoandro mba hahafahana mamarana ireo asa rehetra izay mbola tsy maintsy vitaina. Marihina fa amin’izao fotoana izao dia mbola mitohy hatrany ny fametrahana ireo bolongam-bato na « bloc rocheux » sy « GCNT 0/120 » ataon'ny orinasa Colas ary efa madiva hifarana ny asa rehetra. Marihina fa nitondra takaitra goavana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza GAMANE, ny fiantombohan’ny taona 2024, ihany koa ity tetezan’i Mahavavy ity.

Hanala fahasahiranana

« Zava-dehibe ho an’ny vahoaka aty avaratry ny Nosy izao fisokafan’ny RN6 izao satria miantoka betsaka amin’ny fampandehanana indray ny toe-karena aty an-toerana izany », hoy ny Praiministra nandritra io fidinany tany an-toerana io. Hahafahan’ny vahoaka mifandray sy mivezivezy ao anaty filaminana sady afaka amin’ny fahasahiranana sy ny « transbordement » no tanjon’ity fivilian-dalana ity. Raha tsiahivina dia simba tamin’izany fotoana izany ihany koa ny tetezan’Ifasy ao Beramanja. Amin’izao fotoana izao dia efa azo hifamezivezena andro sy alina io fivilian-dalana io. Tsy ho ela ihany koa anefa ity anjaran’ny eto Mahavavy ity. Famaranana sy fanatanterahana ireo pitsopitsony ara-teknika amin’ny fanamboarana fivilian-dalana na « déviation pour passage à gué » sisa amin’izao fotoana izao no andrasana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo