• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 24 hatramin'ny 30 jona 2024

01/07/2024 01:01 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 24 jona hatramin'ny alahady 30 jona.

25 jona # Arendrina, afomanga, show drone

Niavaka ny ankatoky ny fetim-pirenena tamin'ity taona 2024 ity. Nahazo tombony manokana ireo tonga teny Anosy, Mahamasina sy ny manodidina satria sady nanao arendrina no nahita afomanga sy show drone. Maro ireo soratsoratra sy sary maroloko tazana, izay naome lanja ny fetim-pirenena sy ireo tetik'asa nanamarika iny volana jona iny. Anisan'ny nampitolagaga ny maro ny nahita ny téléphérique tamin'ireo fanehoana tamin'ny alalan'ny Drone. Marobe ireo olona nipetraka nanodidina ny farihin'Anosy, ka tamin'ny 4 ora hariva teo ho eo dia efa feno ny toerana. Teny Anosy sy ny manodidina moa ireo mpitandro filaminana nanatanteraka ny fandaminana rehetra sady nisoroka izay nety ho fioharam-pefy.

26 jona # Matso, fampisehoana kanto Malagasy

Efa maizina ny andro vao nifarana ny lanonana teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina, tamin'ny 26 jona lasa teo. Ny maraina, nisy ny matso mahazatra, izay niarahana tamin'ny Tafika Malagasy. Nanamarika manokana ny matso ny fanehoana fa mampanaja ny miralenta ny Foloalindahy, ka saika efa misy vehivavy avokoa ireo vondrona sy sekoly rehetra. Ny hariva kosa, tonga maro ny vahoaka Malagasy niara-nifety tamin'ny mpanakanto maro. Tsy vitsy ireo fianakaviana na avy eto an-drenivohitra na avy lavitra no nitondra sakafo atoandro sy tsakitsaky isan-karazany. Mbola nisy moa ny afomanga namaranana ny hetsika. Marihana fa nisy ny fandravahana ny tonelina miisa roa, dia ny teo Ambanidia sy Ambohidahy.

26 jona # Nisy voasambotra teny Mahamasina

Tamin'iny andro iny ihany dia nisy ny fisamborana "Administrateur Civil" iray, izay voarohirohy ho nifofo ny ain'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nentina natao fanadihadihana teny amin'ny Brigade Criminelle Anosy avy hatrany moa ny tenany avy eo. Tsy nahenoana tohiny intsony aloha iny raharaha iny. Tsy nisy rahateo ny fanambarana osifialy avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika.
Tsy dia tazana teny Mahamasina ireo mpanohitra, fa saika ireo mpanara-dia ny fitondrana no tena namaly ny fanasana. Tsy adino ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara. Tsy tanteraka kosa ny hetsika izay nokasain'ireo Ray aman-dReny ara-drazana notontosaina. Teny amin'ny Senat Anosy sy Rond-point Saint-Michel Ambohidahy mantsy dia efa nisy sakana napetrak'ireo mpitandro ny filaminana.

27 jona # Famoahan'ny HCC ny voka-pifidianana Ofisialy

Voahajan'ny HCC ny fe-potoana 16 andro taorian'ny valim-pifidianana vonjimaika navoakan'ny CENI, nandraisana an-tanana ny fanamarinana ny vokatra sady nitsarana ireo fitoriana voaray. Tsy dia nisy niova firy ny vokatra manerana ny Nosy. Mazava ho azy fa ny IRMAR no manana ny "majorité parlementaire" satria miisa 84 ireo toerana azony eny amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. 50 kosa no toerana avy amin'ny Tsy miankina, 22 ny an'ny Firaisankina, 4 ny an'ny FIVOI, 1 ny an'ny Kolekitifa, 1 ny an'ny GMJP ary 1 any an'ny Parti Vert. Mitontaly 163 izany ireo depiote lany tamin'ny fifidianana farany teo. Ny IRMAR araka izany no hanolotra Praiminisitra.

Fanampiana ireo Sahirana # Nahazo fanomezana ireo mpatory an-dalana

Ny alin'ny sabotsy 29 jona 2024 dia nidina nijery sy nanolotra sakafo mafana sy lamba firakotra ho an'ireo olona sahirana tsy manan-kialofana ny avy ao amin'ny Ministeran'ny Mponina. Fianakaviana maro, izay olona miisa teo ho eo amin'ny 600, no nisitraka ireo fanampiana: Anosibe, Anosy, Analakely, Behoririka ary Tsaralalàna. Mbola hitohy amin'ny faritra hafa eto Antananarivo izao fanampiana izao. Namporisihana ihany koa ireo mpatory an-dalana mba hanantona ireny toerana mandray an-tanana ny olona marefo ara-pivelomana ireny.

Yaourt lany daty # Nisy mpivarotra nidoboka am-ponja

Nisy mpivarotra amoron-dalana nalaim-panahy nanova ny daty fara-fahazoana mihinana ny “yaourt” namidiny. Nanaitra ny Ministeran'ny varotra ny Orinasa mpamokatra ny entana nanaovana hosoka, ka noraisina ny fepetra amin’ny fandikan-dalàna toy izao ho fiarovana ny mpanjifa. Tamin’ny Alatsinainy 24 Jona 2024 lasa teo no nandalo fampanoavana tetsy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ity raharaha ity.Nidoboka am-ponja vonjimaika noho izany ilay mpivarotra.

Antenimierampirenena # Nandray ny solontenan'ny COMESA

Herinandron'ny COMESA ny herinandro lasa teo, dia ny 24 hatramin'ny 29 jona. Ny 28 jona lasa teo, nitsidika ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ny solontenan'ny delegasiona notarihin'i Dr Dev Haman. Nodinihana tamin’izany fihaonana izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny COMESA sy Madagasikara, ireo fandaharan’asa sy tetikasa samihafa izay ho sitrahan’i Madagasikara.
Sambany notontosaina teto amintsika moa izany herinandron’ny COMESA izany, izay mifanandrify amin’ny faha-30 taonany. Notontosaina ny hetsika mba hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena eo amin'ireo firenena mpikambana.

JO Paris # Fantatra ireo atleta hisolo tena an'i Madagasikara

Ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao no hanatanterahana ny lalao olympika, any Paris, Frantsa. Alteta miisa 7 no hisolo tena an’i Madagasikara ao anatin’izany fifaninanana izany. Anisan'ireo handray anjara i Laura RASOANAIVO (Judo), Rosinah RANDAFIARISON (fibatana fonjamby), RAKOTOARIMANANA (tenisy ambony latabatra). Eo amin'ny Taranja Lomano indray, i Holy Antsa RABEJAONA sy Jonathan RAHARVEL no solontena, izay efa namarinin'ny tale teknika nasionalin’ny lomano.

Fifaninanana Bisikileta – I Mohamed Houlder no solontenan’i Madagasikara

Nanomboka ny sabotsy 29 jona ary tsy hifarana raha tsy amin’ny alarobia 3 jolay ny fifanintsanana eo amin’ny taranja bisikileta aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Tontosaina any Maorisy ny lalao. I Fitahiantsoa Amédée Dino Mohamed na Mohamed Houlder no misolo tena an’i Madagasikara. Ankoatra an’i Maorisy, mpampiantrano, mifaninana ao anatin’izany ihany koa Madagasikara, Comores, Mayotte, La Réunion, Maldives, Seychelles ary i Sri lanka. Raha ny fandaharan-dalao ho an’ny taona ho avy, mety hotontosaina eto Madagasikara ny andiany faharoan’ity fifaninanana ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo