• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Montage
Image
Vaovao

Lapan’i Tsimbazaza : Minisitra teo aloha, mpanao gazety, mpanakanto… hisolo vava ny vahoaka

28/06/2024 15:27 © Moov.Mg

Isan’ny nampiavaka ny fifidianana Solombavambahoaka tamin’ity taona 2024 ity ny fisian’ireo minisitra, tamin’izao governemanta izao, na tamin’ireo governemanta nifandimby teo aloha, nirotsaka hofidiana. Ahitana mpanakanto, mpanao gazety sy olon’ny fanatanjahantena ihany koa ireo handrafitra ny Antenimierampirenena.

Minisitra nametra-pialana

Maromaro ireo minisitry ny governemanta Ntsay ankehitriny no nametra-pialana am-perin’asa, ka nirotsaka hofidiana ho Solombavambahoaka, ary nahazo toerana soa aman-tsara ao amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Isan’ireny ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle, izay lany tany amin’ny Distrikan’i Fianarantsoa I ; ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina teo aloha, Fomendraza Haingo Elisette, lany tany amin’ny Distrikan’Ambositra ; ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha, Andriamananoro Augustin, lany tao amin’ny Boriborintany voalohany Antananarivo Renivohitra ; ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena teo aloha, Resampa André Haja ; ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana teo aloha, Tokely Justin.

Minisitry ny governemanta tany aloha

Nisy minisitra nandrafitra ny governemanta teo aloha ihany koa, tafiditra ho isan’ireo Solombavambahoaka hiasa mandritra ny 5 taona manaraka. Isan’izany ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana teo aloha, Chabani Nourdine, izay voafidy tany Taolagnaro ; ny Minisitry ny Asa Tanana teo aloha, Sophie Ratsiraka izay voafidy tany Vatomandry, ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, Imbiky Herilaza, izay lany tany Sainte Marie ; ny minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsôsialy teo aloha, Soafilira Princia, izay voafidy tany Analalava ; ary i Tinoka Roberto Raharoarilalala, voafidy tany Toliara I, ary efa nitana anjara andraikitra maromaro tao anatin’ireo Governemanta notarihin’i Ntsay Christian.

Mpanao gazety, mpanakanto...

Ankoatra ireo minisitra teo aloha dia ahitana mpanao gazety miisa 3 ihany koa amin’ireo Solombavambahoaka vao voafidy, dia i Fetra Rakotondrasoa, voafidy tany Miarinarivo ; Razara Pierre Ravolaza Fidèle, voafidy tany Ambatondrazaka ary i Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa, voafidy tao amin’ny Boriborintany fahatelon’Antananarivo Renivohitra. Tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo depiote vao lany ihany koa ny tomponandraikitra ambony teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra, dia i Ahmad Ahmad, filohan'ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF) teo aloha, voafidy tany Mitsinjo ; sy Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin'ny baolina kitra (FMF). Tokana ihany kosa ny mpihira fantatra fa isan’ireo Solombavambahoaka vao voafidy, dia Rabeharison Bernardin, fantatry ny maro kokoa amin’ny anaran-tsehatra Din Rotsaka, voafidy tany Befandriana avaratra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo