• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Vaovao

Pureplay Football League : Hiady ny toerana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Afrika isan-tarika ny Disciples FC sy ny Elgeco Plus

28/06/2024 14:42 © Moov

Ho tanterahina etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus ny alahady izao ny lalao famaranana ny Pureplay Football League. Hifandona amin’izany ny Disciples FC avy ao Vakinankaratra sy ny Elgeco Plus eto Analamanga. Kihondalana hahafahana mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Afrika isan-tarika ho an’ireo ekipa roa ireo ity lalao ity.

Samy mbola tsy Tompondakan’i Madagasikara

Samy mbola tsy Tompondakan’i Madagsikara tamin’ity taranja ity avokoa ireto ekipa roa ireto. Araka izany dia sady fanamby no lalao goavana ity hotanterahina ny alahady izao ity. Raha tsiahivina dia izy ireo izay nivoaka ho mpandresy rehefa nihaona tamin’ny 3FB Toliara sy ny Zanakala FC Fianarantsoa nandritra ny manasa-dalana. Ny Elgeco plus no nandresy ny 3FB Toliara 1 noho 0 nandritra ny lalao mandroso. Mbola nitazona izany fandresena izany ihany koa tamin’ny lalao miverina izay nandresen’izy ireo 2 sy 1. Tetsy andaniny indray dia ny Disciples FC no nandresy ny Zanakala FC tamin’ny isa 3 sy 0 nandritra ny lalao miverina raha resy tamin’ny isa 3 sy 2 kosa izy ireo tamin’ny lalao mandroso. Izany no nahatafiakatra azy ireo tamin’ity lalao famaranana ity. Samy vonona ireo ekipa roa ary efa anatin’ny fanomanana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao. Efa ao anatin’ny fanomanana ny teknika hitondrana ny lalao ihany koa ny ekipa roa tonta.

Hisolo tena an’i Madagasikara

Tratra tao anatin’ny fe-potoana izay nomen’ny Kaonfederasiona Afrikana ny Baolina Kitra sy ny Federasiona ny fe-potoana nanatanterahana izao lalao famaranana izao. Vokatr’izany dia hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninana ny ho Tompondakan’ny Afrika isan-tarika izay hivoaka mpandresy eto. Hotanterahina ny volana jolay izao izany lalao lehibe izany. Samy ekipa lehibe matoa tafiakatra amin’ny dingana famaranana toy izao ary tsy maintsy hampiakatra ny voninahi-pirenena amin’ny lalao rezionaly. Ankoatra izany anefa dia mitentina 20 tapitrisa ariary ny loka ho an’ireo izay hivoaka mpandresy ankoatra ireo medaly izay hatolotra azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo