• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Fitaterana : Tsy ho tonga 1 000 ariary ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana amin’ny fiara fitateram-bahoaka

28/06/2024 13:29 © Moov

Mbola tsy misy hatramin’izao ny fanapahan-kevitra ho raisina amin’ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana. Nanamafy anefa ireo kaoperativa mpitatitra olona an-tanan-dehibe (UCTU) fa tsy maintsy hampiakarina io rehefa miakatra ny vidin’ny solika. Hisy ny fivoriana hotanterahin’ireo mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra ny zoma 4 jolay izao handinihana izany.

Tsy maintsy ahitana fiakarany

Raha tsiahivina dia nanambara ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Vola sy ny fitantanam-bola ny faran’ny herinandro teo fa mety hiakatra 200 ariary isaky ny litatra ny vidin-tsolika. Manoloana izany indrindra no mety hisian’ny fanapahan-kevitra ny mety hiakaran’ny saran-dalana ho an’ny fitateram-bahoaka. Tafiditra ao anatin’ny fivorian’izy ireo ny hamaritana mialoha izany saran-dalana ho hampiharina izany. « Hisy fiakarany ny vidin’ny solika atsy ho atsy. Izany no anton’ny fivorianay mba hijerevana mialoha hoe ahoana ny tokony atao raha 200 ariary isaky ny litatra ny fiakaran’ny vidin-tsolika », hoy i Rakotonirina Jean Louis Emile, filohan’ny UCTU. Manamafy hatrany izy ireo etsy andaniny fa tsy mitombona io fikarana hatramin’ny 1 000 ariary ahely io. « Tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy izany 1 000 ariary izany. Raha tsy hievitra fotsiny ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’izao isika », hoy hatrany ity Filoha ity. Mbola tsy misy saran-dalana tapaka araka izany hatramin’izao fotoana izao. Raha nanontaniana ihany koa ireo mpanjifa dia manodidina ny 800 ariary eo ho eo no saran-dalana zakan’ny ankamaroan’ny olona.

Vahaolana amin’ny fitohanana

Mety anisan’ny mandray anjara amin’ny fampiakarana ny saran-dalana ihany koa ny faharatsian’ny lalana, hoy ireo mpitatitra. Ao anatin’ny angatahany araka izany ny hikarohana vahaolana amin’io mba tsy hiakaran’izany ho avo loatra. « Mampiakatra ny masonkarena ny fahasimban’ny lalana noho ny fijanonana matetika. Tokony ho karohina ny anton’io fitohanana lavareny io », hoy hatrany ity Filohan’ny UCTU ity. Etsy ankilany ny fanafarana ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara. « Efa misy ny ezaka amin’izao fotoana izao amin’ny fifanarahana amin’ny mpanafatra ireny kojakoja ireny ka ho dinihina avokoa izany rehetra izany amin’ny fanamboarana ity saran-dalana ity », hoy ny fanazavana. Araka izany dia mbola mitsingevana ny momba ity saran-dalana ity amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo