• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Cirgn Antananarivo
Image
Vaovao

Alakamisy Fenoarivo : Namoizana ain’olona ny filalaovana kalesa fanao isaky ny fetin’ny fahaleovan-tena

28/06/2024 10:52 © Moov

Mahazatra ny mponina eny amin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo rehefa mankalaza ny fetin’ny fahaleovan-tena ny fifaninana mitondra kalesa. Nahafaty tovolahy kely iray ity kilalao ity ny alin’ny 25 jona lasa teo. Tafatsofoka tany ambany fiara mandeha amin’ny ilan’ny lalana ity tovolahy ity ka izany no nitondra azy tamin’ny fahatefasana.

Tany amin’ny toerana tsy nahazoana alalana

Efa misy ny lamina napetraka teny anivon’ny Kaominina ny amin’ny toerana azo hilalaovana. Araka izany dia norefesina manokana io toerana io ary teo ihany no nahazoana alalana hilalaovana ny alin’ny 25 jona. Nanamarika ny avy ao amin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo fa efa nasiana « balisage » izany toerana izany satria tsy maintsy nasiana ampahan-dalana hahafahan’ireo fiara mifamezivezy ary efa arahi-maso ihany koa. « Tany amin’ny toerana tsy nahazona alalana no nilalaovan’ity tovolahy kely ity ka nifatratra tamin’ny fiara izy rehefa tsy voavily sy tsy tanany ny fikatsoana », hoy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena. Nanamafy izany rahateo ny Ben’ny Tanàna ny amin’ny fisian’io toerana natokana io. Amin’izao fotoana izao raha ny vaovao voaray hatrany dia mbola manaraka fitsaboana ny iray tamin’ireo niaraka nitaingina kalesa. Tsara ny mampatsiahy fa anisan’ny mpikarakara ity fialam-boly ity ny avy ao amin’ny Kaominina ary efa misy ny fepetra raisina amin’ny fanalalahana ny lalana. Ialana amin’ny loza mety hiseho ny tanjon’izany.

Milalao hatramin’ny zazakely

Manana adidy ny hiaro ny ain-janany ihany koa anefa ireo Ray aman-dReny. Raha ny fanazavana azo hatrany dia manomboka amin’ny telo taona ny zandriny indrindra mitaingina kalesa rehefa fotoan’ny fety toy izao. Mihazaka hatramin’ny 4 sy 5 ihany koa ny kalesa iray. Efa manana karazany maro rahateo ireo mponina eny an-toerana. Etsy andaniny dia azo lazaina ho tena atahorana ihany ity lalao ity. Eo ho eo amin’ny 5000 metatra eo ny toerana azo higorisana hoy ny avy ao amin’ny CIRGN Antananarivo ka sarotra ny fitandroana ny ain’ny tsirairay. Mahatratra hatramin’ny 80Km/h ihany koa ny hafainganam-pandeha. Tokony samy handray andraikitra avokoa araka izany, na ny Ray aman-dReny, ny mpitandro filaminana ary na ireo mpikarakara. Raha hampahatsiahivina dia tsy vao voalohany ity tranga ity fa efa nisy ihany koa ireo izay tena mitondra takaitra sy maratra mafy tany aloha tany. Tokony hamafisina araka izany ny fepetra arahina amin’ity lalao ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo