• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Rfi (Illustration)
Image
Vaovao

Fitsinjovana mpanjifa : Mpivarotra amoron-dalana nivarotra sakafo lany daty nidoboka am-ponja

28/06/2024 09:52 © Moov

Nidoboka am-ponja ny fiandohan’ny herinandro teo ilay mpivarotra hani-masaka amoron-dalana nisy nitory. Tratra nivarotra « yaourt » nanao hosoka tamin’ny daty fara-fahazoana manjifa azy izy. Raha tsiahivina dia nitory azy ity ny orinasa mpamokatra ilay entana ka izao nidoboka am-ponja eny Antanimora izao izy rehefa nandalo fampanoavana tetsy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany.

Handraisana fepetra ny mpandika lalàna

Tafiditra ao anatin’ny lalànan’ny tsena ny fiarovana ny aina sy ny fahasalaman’ny mpanjifa. Manana adidy amin’izany ireo mpivarotra rehetra. Araka izany dia ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra mihitsy no nandray antanana ity raharaha ity. « Noraisina ny fepetra rehetra mba hahafahana miaro ny vahoaka sy mampitandrina ireo izay minia mandika izany fepetra izany indray. Tsy maintsy hampiakarina amin’ny lenta ambony kokoa ny raharaha toy izao mba hahafahana miady amin’ny hosoka », hoy ny Tale misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC), Dina Rakotonirina avy ao amin’ny Ministera. Ankoatra izany dia manana andraikitra ny hitoroka izay mpandika lalàna ihany koa ny mpanjifa amin’ireo izay rehetra hitany. Eny anivon’ny Ministera no hanaterana izany fitarainana izany na amin’ny alalan’ny antso an-tariby.

Hialana ny fanararaotana

Ankoatra ny fanovana ny datin’ny sakafo hamidy dia nanentana ihany koa ny avy ao amin’ny Ministera ny amin’ny fanajana tokony hatolotra ny mpanjifa. « Tsy mijanona izahay ny amin’ny fanentanana ny mpivarotra sy ny mpandraharaha mba tsy hanararaotra ny mpanjifa amin’ny fampiakarana vidin’entana. Mety hisy fiantraikany amin’ny mpanjifa izany ary indrindra indrindra hiteraka tsy fitoniana », hoy hatrany ny avy ao amin’ny Ministera. Afaka mampiseho rahateo izany fa azo itokiana hatrany ny mpivarotra. Nanamarika hatrany ity Ministera ity fa mety hitondra olana sy fiantraikany ratsy amin’ny fihariana rahateo ny fanaovana izany fandikan-dalàna. Voaray ao anatin’izany avokoa ny sehatra rehetra. Manomboka eny amin’ireo mpivarotra amoron-dalana izany hatrany amin’ireo mpivarotra amin’ny toeram-pivarotana lehibe (supermarché).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo