• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lamodebyjejo
Image
Vaovao

Arendrina - Takarivan'ny 25 jona : Mamirapiratra Antananarivo !

25/06/2024 19:44 © Moov

Fety be ! Izay no azo amintinana ny zava-misy eto Antananarivo Renivohitra amin'izao takariva mialoha ny fetim-pirenena izao. Mampirapiratra tokoa izay rehetra jerena, indrindra moa fa ny teny Anosy

Afomanga sy Show Drone

Ny Show Drone no tena nampiavaka ny Afomanga tamin'ity taona 2024 ity. Tsy inona izany fa ny filalaovana ireo jiro maroloko.

Talanjona avokoa na ireo ankizy na ireo olondehibe. Horakoraka sy kiakiaka no re rehefa mipoaka ny afomanga. Toy izany ihany koa ny nandraisan'ireo olona maro ireo sary isan-karazany navoaka tamin'ny alalan'ny Drone, toy ny "Téléphérique", ny taona nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena sy ny fiarahabana nahatratra ny Asaramanitra. Vao tamin'ny 4 ora hariva teo ho eo dia efa nanomboka feno olona ny manodidina ny farihan'Anosy. Maro ireo niditra tamin'ny faritry ny zaridaina ka nipetraka tsara mankafy ny fampisehoana. Feno olona ihany koa ny arabe manoloana ny farihy, ny Sénat sy ny ireo lalana mivoaka an'i Mahamasina. Marihana moa fa tsy atahorana handratra ny pitik'ireo afomanga satria milatsaka ao anaty rano avokoa izany. Nilamina tsara ny fijerena ny Afomanga sy ny Show Drone, izay nanomboka tamin'ny 7 hariva. Niditra an-tsehatra moa ny mpitandro ny filaminana hisorohana ny fifanosehana sy ny tsy fandriam-pahalemana.
Tsikaritra fa maro ireo mpivarotra no nanararaotra ity takariva ity hitadiavam-bola. Ny tsakitsaky, kiendiendy sy maskita no tena mandeha amin'izany. Mitondra ankizy manao arendrina mantsy ireo ray aman-dreny no sady manararaotra mampifaly ny fianakaviana amin'ny sakafo isan-karazany. Feno ihany koa ireo pizzeria, bar sy karaoke, indrindra eny amin'ireo toerana be olona. Nitohana tanteraka ny fifamoivozana manodidina ireo faritra be mpijery afomanga : Anosy, Analakely, Amparibe, Andohalo, Mausolée, sns.


Copyright Image : © LMJ

Kilalao sinoa sy arendrina taratasy

Ny arendrina mirehidrehitra aloha no tena tazana eny an-dalambe rehetra eny. Anjakan'ny fandrosoana tanteraka ny eto Madagasikara ka vitsy sisa no mitondra arendrina taratasy. Manintona tokoa ireo kilalao sinoa isan-karazany, ka misy tazomina tanana ary misy atao firavaka iambozonana na atao haingombolo. Misy mihitsy aza moa ireo arendrina mihirahira. Mihena hatrany isan-taona ny lanjan'ny arendrina taratasy ka velon-taraina ireo mpivarotra izany. Mbola mila ezaka be ny famerenana indray ny hasin'ny arendrina vita malagasy. Ireo karazany miendrika sainam-pirenena sisa no tena manintona ny mpividy.
Rahampitso 26 jona moa no fanamarihana ofisialy ny fetim-pirenena Malagasy, no sady ankalazana ny tsigerintaona nitsanganan'ny foloalindahy. Hisy azaka izany ny matso lehibe eny amin'ny kianjan'i Mahamasina. Hisy ny fampisehoana andraisan'ny mpanakanto maro anjara ka amin'ny 6 ora sy sasany hariva vao hifarana ny lanonana.


Copyright Image : © LMJ

Lire la suite

Articles Similaires