• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tomban’ny toetry ny andro 26 jona : Hangatsiaka sy hanerika eto afovoan-tany

25/06/2024 15:57 © Moov.Mg

Tombanana hangatsiaka sy somary hanerika ny andron’ny rahampitso 26 jona 2024, ka mila miomana amin’ny akanjo mafana ireo izay hanatrika ny matso lehibe eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina.

Handrahona sy hanorana malefaka

Raha ny vinan’ny telo andro ho avy, ny 26, 27 ary 28 jona, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, dia mbola mitoetra hatrany ny fitsokan’ny alizay, miaraka amin’ny rivotra mangatsiaka, any amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy. Aty afovoan-tany no tena hahitana taratra izany. Ho an’ny rahampitso maraina ary, dia mbola mitoetra ny orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka atsinana manontolo, any Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana sy ny tapany atsimon’Alaotra Mangoro ary any Antalaha. Ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany kosa dia handrahondrahona amin’ny ankapobeny, indrindra ny vao maraina. Mety hisy erikerika, fa manodidina ny mitataovovonana dia hisy fisavany kely izany. Ny mari-pana indray dia manodidina ny 19 hatramin’ny 22 °C ny ambony indrindra, ho an’ny afovoan-tany.

Araka izany, hangatsiatsiaka amin'ny ankapobeny ny andro aty afovoan-tany sy ny ilany atsinanan'i Madagasikara. Mba ho fisorohana ny aretina, izay mpitranga rehefa ririnina toy izao dia tsara ny manao mafana, indrindra raha hanatrika ny matso sy hivoaka hanao arendrina amin'ny takariva.

Lire la suite

Articles Similaires