• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Indostria : Inspektera indostrialy miisa 31 mianadahy nahavita fianianana

25/06/2024 09:14 © Moov

Nahavita fianianana omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ireo inspektera Indostrialy miisa 31 vaovao. Hidina an-tsehatra hanara-maso ny varotra sy ny fanjifana izy ireo ary hampiroborobo ny indostria. Hiasa avy hatrany izy ireo taorian’io fianianana io.

Hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana

Nanome toromarika ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MIC), Edgard Razafindravahy fa tsy hijanona amin’ny fanaraha-maso fotsiny ihany ireto manam-pahaizana ireto. Anisan’ny asa tsy maintsy ho tanterahina ny fikarohana ny fandikan-dalàna. Mifandray amin’izany ihany koa ny fampiroboroboana ny indostria. Hanoro hevitra sy hanao tantsoroka amin’ny mpandraharaha amin’ny fananganana sy fampihodinana ny orinasa ireto Inspektera indostrialy andiany vaovao ireto. « Any aminareo ny fanalahidin’ny fampiroboroboana ny indostria”, hoy ny Minisitra tamin’izy ireo taorian’ny fotoam-pitsarana nandraisana ny fianianany. Asa manan-danja amin’ny tontolon’ny fampiroboroboana ny fandraharahana izany asa andrasana amin’izy ireo izany. Marihina ihany koa fa efa nataon’ny Fitondram-panjakana ho anisan’ireo andry iankinan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fampiroboroboana ny indostria.

Miisa 51 amin’izao

Niampy 31 araka izany ireo inspektera 20 efa niasa teo aloha. Miisa 51 izy ireo amin’izao fotoana izao. Efa miasa manerana ny Nosy ary natao hitovy avokoa ny asa hiandraiketan’izy ireo. Miparitaka any amin’ireo Fitalevam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) samihafa ny ankamaroan’ireo taloha. Anisan’izany ohatra ny any Atsinanana, Bongolava, Itasy, Anosy, Matsiatra Ambony. « Tsara ihany koa ny manamarika fa nofantenana noho ny fahaizany ireo matihanina ireo. Ny fanoloran-tenany ary ny fahaizany mampiroborobo ny indostria no isan’ny mason-tsivana amin’izany », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny MIC, Vahinisoa Ranoelimanana Rasamoely. Hahafahan’izy ireo mahaleotena tanteraka amin’ny fanatanterahana ny asany dia mbola misy ireo fanamafisam-pahaizana samihafa. Avy hatrany kosa anefa dia hiasa izy ireo ao anatin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo