• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Child Labour Free Mica
Image
Vaovao

Fitrandrahana eladrano : Efa nanavotra ankizy maro ny tetikasa FAMAHA

24/06/2024 10:27 © Moov.Mg

Tombanana ho manodidina ny 10 000 isa ankizy tsy ampy taona mivelona amin’ny fitrandrahana eladrano et Madagasikara. Misy fiantraikany amin’ny fahasalamana sy ny fanabeazana ny ankizy anefa ity asa ity. Isan’ny miady ho an’ny fanafahana ireny ankizy ireny ny fikambanana tsy miankina Faravehivavy.

Isan’ireo ankizy nampian’ny ONG Faravehivavy ho afaka amin’ny fitradrahana eladrano i Zoae, zazavavy 13 taona, sy i Jean Claude, 16 taona, izay nisitraka ny tetikasa FAMAHA (Fampiasana Ankizy amin'ny Mica Andao HAtsahatra).

Mahazo fanabeazana

13 no isan’ny mpiray tampo amin’i Zoae, ka izy no faha-12. Toy ny ankamaroan’ireo mpiara-monina aminy dia ny fitrandrahana eladrano no fidiram-bolan’ny fianakaviany. Mbola kely ity zazavavy ity dia efa nanampy ireo ray aman-dreniny tamin’izany ary tsy nandia varavaran-tsekoly mihitsy. 5.000 Ar isan-kerinandro no mba vola azon’izy mianakavy kely, nefa lafo lavitra noho izany ny sandan’ilay asa amin’ny fahasalamana. Nanjary tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana i Zoae, noho ny fidiran’ny vovoka eladrano tany anaty havokavony. Na teo aza izany dia tsy navelan’ireo ray aman-dreniny nanajanona ilay asa izy. Tetsy an-daniny, noho izy tsy nahita fianarana dia ambakain’ireo mpanangona eladrano. Rehefa tonga tao amin’ny tanàna kely nonenany ny ONG Faravehivavy, tamin’ny taona 2022, dia isan’ny afaka nisitraka ny tetikasa FAMAHA notanterahina tany an-toerana i Zoae. Niditra an-tsekoly amin’izay izy, niaraka tamin’ny ankizy hafa 247 isa. Tetsy an-daniny, nahazo fampiofanana sy fanentanana ireo ray aman-dreny, mba tsy hanery ireo zanany hiasa any anaty toeram-pitrandrahana intsony, ho fitsinjovana ny fahasalaman’izy ireny. Amin’izao fotoana izao, mbola manohy ny fianarany i Zoae ary maniry ny ho lasa mpampivelona.

Velon-tena mendrika

Lahimatoa kosa i Jean Claude ary manan-jandry miisa 6. Voatery niala tamin’ny fianarana izy, rehefa nodimandry ny rany, ka nanampy ny reniny nitady vola hamelomana ireo zandriny. Niasa tany amin’ny fitrandrahana eladrano izy ireo, ary koa nanampy tamin’ny fanangonana tongolo, amin’ny fotoana fahavokaran’izany. Sady mandreraka no mety hitera-doza ny fidinana any anatin’ny lavaka fitrandrahana eladrano, saingy izay ihany no asa azon’i Jean Claude natao hamelomana ireo zandriny sy ny reniny. Tonga tany amin’ny tanàna kely nonenany ny ekipan’ny ministeran’ny Mponina sy ny ONG Faravehivavy, tamin’ny taona 2022, ary nahatsikaritra an’i Jean Claude sy ireo namany hafa. Nomena fiofanana nandritra ny 4 volana izy ireo mba ho afaka manangana tetikasa velon-tena. Ny fambolena legioma no nosafidian’ilay tovolahy. Nahazo tohana ihany koa izy ho fanombohany ny tetikasany. Ankehitriny, sady mihinana sakafo ara-pahasalamana ny fianakaviany, no mamatsy legioma ny « cantine » an’ny sekoly eo an-tanànany ihany koa izy ary mbola afaka mivarotra eny an-tsena. Manampy azy amin’ny fambolena sy ny varotra ny reniny, ka tsy miasa amin’ny fitrandrahana eladrano intsony. Ankehitriny, efa mahavita tahiry 20.000 Ar isan-kerinandro i Jean Claude.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo