Fanondranana an-tsokosoko : Volamena milanja 2,865Kg tratra teny Ivato sy tany Nosy Be
Mitohy ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harena an-kibon’ny tany. Volamena milanja 2,865Kg no tratran’ny Fadin-tseranana, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be, ny herinandro lasa teo. Mitranga ao anatin’ny fotoana iray izay hanamafisan’ny Fitondram-panjakana ny fanaraha-maso ny sehatry ny volamena sy ny fampidirana azy ao anatin’ny lalam-pihariana ara-dalàna izany.
Nohamafisina ny fitsirihana eny amin’ny seranam-piaramanidina
Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra, volamena milanja 365 grama nafenina tao anatin’ny tahon’ny valizy no tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Tany Nosy Be kosa dia nahatratra 2,5 kilao ny volamena saika haondrana an-tsokosoko tany ivelany nefa voasakan’ny Fadin-tseranana.
Anisan’ny vokatr’ireo fanaraha-maso nohamafisina eny amin’ireo vavahadin-tseranana sy seranam-piaramanidina manerana ny Nosy ireo fisamborana ireo. Tanjona hatrany ny hisorohana ny fahaverezan’ny harena an-kibon’ny tany sy ny vola tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, hoy ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Etsy ankilany, mitohy ihany koa ny hetsika fanapotehana ireo tambazotra fitrandrahana tsy ara-dalàna. Tany Ampasimbe Brickaville, ohatra, dia mbola nisy ny fanentanana sy ny fanaraha-maso natao tamin’ireo mpandraharaha mampiasa fitaovana vaventy nefa tsy manana fahazoan-dalana manankery na tsy manao fanambarana ny vokatra azo.
Mitombo ny volamena mandalo amin’ny lalam-pihariana ara-dalàna
Ankoatra ny famoretana ny fanondranana an-tsokosoko, miezaka ihany koa ny fanjakana mampirisika ireo mpandraharaha sy mpitrandraka hiditra ao anatin’ny rafitra ara-dalàna. Efa mihoatra ny 160 ny « zones d’encadrement » ho an’ny fitrandrahana volamena nankatoavina na nohavaozina tao anatin’ny 12 volana farany, hoy ny fanazavana. Natsangana ihany koa ny fandaminana manokana ao amin’ny FINEX sy ny Tahirim-bolam-panjakana mba hanamorana ny fidiram-bola avy amin’ny fanondranana volamena ara-dalàna.
Nahitana vokatra izany ezaka izany satria efa nihoatra ny tarehimarika voarakitra nandritra ny taona 2025 iray manontolo ny habetsahan’ny volamena nandalo tao amin’ny Guichet Unique d’Exportation tao anatin’ny folo andro monja. Etsy an-danin’izany, maherin’ny 350 tapitrisa ariary ny tamberim-bidy voaangona tao amin’ny Guichet Unique Mines.
Ho fanamafisana ny mangarahara eo amin’ny sehatra, mitohy ihany koa ny fanentanana momba ny « perception à la source » any amin’ireo kaominina maro manerana ny Nosy, miaraka amin’ny tanjona hampitomboana ny vola miditra ara-dalàna sy hiadiana amin’ny fanondranana an-tsokosoko.





