• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fetin’ny mozika : 2 andro ho an’ny hira, dihy, poezia… miaraka amin’ny AFT Antananarivo

21/06/2024 15:29 © Moov.Mg

Roa andro no anamarihana ny fetin’ny mozika eny amin’ny Alliance Française Andavamamba Antananarivo. Nanomboka androany 21 jona 2024 izany ary mitohy hatramin’ny rahampitso, amin’ny alalan’ny fampisehoana lehibe eny Ivato.

Mozika maro loko

Mpanakanto maro no miara-miasa amin’ny Alliance Française Andavamamba amin’ity indray mitoraka ity, ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny mozika. Araka izany, feno dia feno ihany koa ny fandaharam-potoana ary nivelatra tao anatin’ny roa andro, raha toa ka isaky ny 21 jona no hankalazana ny fetin’ny mozika saika maneran-tany. Ho an’ny androany maraina, dia atrikasa nampisehoana seho kanto maro karazana ary nisokatra malalaka ho an’ny besinimaro, no nampiantranoin'ny AFT Andavamamba. Tao ny dihy, ny poezia sy ny mozika nentim-paharazana sns, teo ambany fitarihan’ny tarika Rabefidihy. Ny tolakandro kosa dia fampisehoana "Mozika Maroloko", nandraisan’ireo mpanakanto tanora sy vaovao anjara. Isan’izany ireo mpandresy miisa telo tamin’ny fifaninanana « En Chanson » nokarakarain’ny AFT tamin’ny volana febroary. Mbola niaka-tsehatra tamin’ity tolakandro ity ihany koa ny tarika Rabefidihy, niaraka tamin’ireo mpanakanto hafa toa an’i RinY, Raoka Inona, Tiahy, Valahara ary Toojou.

Fampisehoana maimaim-poana

Ho an’ny rahampitso 22 jona, araka ny fanazavan’i Nomenjanahary Antsa Sarah, tomponandraikitry ny kolontsaina eo anivon’ny AFT Andavamamba, dia eny amin’ny Kaominina Ivato no hifamotoana ny rehetra. Carnaval Mozikara no hanombohana ny fotoana ny maraina, miainga eny amin’ny Horizon Ivato ary mifarana eny amin’ny fiantsonam-piarakodian’ny seranam-piaramanidina ho an’ny sidina anatiny. Hanafana ny fotoana amin’izany ny mpitsoka mozika, mpandihy, mpilalao mozika isan-karazany, mpanao « cirque »… Manodidina ny 300 ireo mpandray anjara amin’ity « carnaval » ity. Ny tolakandro kosa dia ao amin’ny fiantsonam-piarakodian’ny seranam-piaramanidina ho an’ny sidina iraisam-pirenena indray no hifamotoana ny rehetra, amin’ny fampisehoana goavana hiarahana amin’i Mirado, Stéphanie ary Johane. Isan’ny manohana izao hetsika karakarain’ny AFT Andavamamba izao ny Telma Madagascar ary maimaim-poana avokoa ny fandraisana anjara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo