• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanendrena Praiminisitra : Ny IRMAR no tompon'ny fanapahan-kevitra

21/06/2024 13:36 © Moov

Nanamafy ny depiote Naivo Raholdina androany fa mbola ny IRMAR hatrany no hanana ny maro an'isa ao amin'ny Antenimierampirenena, ho an'ny 5 taona manaraka.

Fitondrana mafy orina

Na dia mbola vokatra vonjimaika aza no azo hatreto, hita fa maherin'ny 50%-n'ny toerana ao amin'ny Antenimierampirenena no lasan'ny kandida natolotry ny vondrona politika IRMAR. Ireo depiote mpanohana ny fitondrana araka izany no hanolotra ny Praiminisitra, ho tanana ankavanan'ny Filohampirenena. Mbola tsy misy kosa nefa ny feo mandeha na fanambarana mikasika ny olona izay mety ho atolotr'izy ireo. Maro no manontany tena raha mbola ho voatazona eo amin'ny toerany ihany ny Praiminisitra ankehitriny, Christian Ntsay.
Tsy dia misy atahorana intsony ny mpanohitra, hoy hatrany ny depiote Naivo Raholdina, satria ny depiote tsy miankina aza mbola maro an'isa noho izy ireo. Eo ho eo amin'ny roapolo mantsy sisa no kandidan'ny vondron'ny antoko mpanohitra hiakatra eny Tsimbazaza.

Fanapahan'ny HCC

Mahatoky ny HCC ireo kandida natolotry ny IRMAR. Nisy tokoa mantsy ny fitarainana napetrak'ireo niharan'ny halabato na tsy fanarahan-dalana isankarazany. Samy miandry ny vokatra ofisialy avoakan'ny HCC izany ireo nirotsaka ho fidiana rehetra, na ireo mpanohana ny fitondrana, na ireo mpanohitra na ireo tsy miankina. Na misy aza ny raharaham-pitsarana ifanatrehan'ireo voakasika, tsy misy didy avoakan'ny HCC eo no ho eo, fa miara-tononina amin'ny voka-pifidianana solombavambahoaka ofisialy izany. Na eo aza izany, azo lazaina fa tsy hiova firy intsony ny vokatra, izany hoe ny IRMAR hatrany no mahazo toerana maro ao Tsimbazaza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo