• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © France 24
Image
Vaovao

Finoana Silamo : Azo raisina ho fahasambarana izany maty any la Mecque izany hoy ireo mpino

21/06/2024 12:13 © Moov

Efa maherin’ny arivo amin’izao fotoana izao no maty nandritra ny fivahinianana masina an’ny mpino Silamo tany La Mecque. Etsy andaniny anefa dia nanazava ireo mpino eto Madagasikara fa azo raisina amin’ny lafiny tsara ihany koa izany. Azo lazaina ho fahasambarana izany hoy izy ireo.

Maty tsy misy fahotana

Naneho ny heviny mikasika izany fahatesan’olona aman’arivony any la Mecque izany ireo mpino Silamo. Amin’ny ankapobeny ny fandehanana any amin’ity fivahinianana masina ity dia sitrapon’ny Zanahary, hoy izy ireo. Zava-dehibe amin’ny mpino izany satria maro ireo tombony azo avy aminy. « Araka ny finoana dia voafafa avokoa ny fahotana rehefa manao ity pélérinage ity. Raha maty mandritra ny fivahinianana araka izany dia afa-pahotana. Azo antoka ny hahazoana ny paradisa », hoy i Moussa Soalihy, mpino Silamo eto Antananarivo. Izany fanesorana ny fahotana izany no tanjon’ireto mpino ireto handehanana any la Mecque isan-taona. Araka izany dia manodidina ny 2 tapitrisa isan-taona eo ho eo ny mpivahiny tonga any an-toerana avy amin’ny kaontinanta rehetra. Raisin’ny mpino silamo ho zava-dehibe ity fivahinianana ity isan-taona ary efa samy miomana amin’izany avokoa izy ireo. Marihina ihany koa, araka ny fanazavana fa iray amin’ireo fototra miisa 5 an’ny finoana Silamo ity fandehanana any la Mecque ity. Izany no mahatonga azy ho tsy maintsy atao araka ny fahefan’ireo mpino tsirairay.

Akaikin’Andriamanitra

Mbola anisan’ny antony iray miabo amin’ny fanatrehana ity fivahinianana ity, hoy hatrany ireo mpino ny finoana fa akaikin’Andrimanitra izy ireo rehefa any. « Maty akakin’Andrimanitra izany ihany koa ve tsy fanirian’ny olona rehetra. Azo lazaina ho zavatra tsara izany », hoy hatrany ity solontena ity. Etsy andaniny anefa dia mety misy lafiny ara-teknika sy ara-potodrafitr’asa tokony harenina. Ankoatra ny ao la Mecque dia azo arenina ihany koa ny ao amin’ny Mina izay toerana eo ho eo amin’ny 3 km miala ny tanànan’ny la Mecque eo izany. Any no fanatanterahana ny diabe ka azo atao ny mametraka karazana elo be mba hiarovana ireo mpino amin’ny hafanana.

Lire la suite

Articles Similaires