• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fampianarana : Miisa 50 043 ny mpianatra mifaninana hiditra taona voalohany eny amin’ny Lisea Teknika

21/06/2024 10:27 © Moov

Mitombo hatrany ny mpianatra miatrika fanadinana hidirana taona voalohany eny amin’ny Lisea Teknika. Miisa 50 043 izany manerana ny Nosy. Nanomboka omaly moa ity fanadinana ity ary hifarana androany. Mitsinjara amina foibe-panadinana miisa 183 ireo mpiadina ireo.

Mora hitadiavana asa

Manomboka miditra lalina amin’ny fiofanana hahafahana mahita asa malaky ny tanora amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny fidirana eny anivon’ny lisea teknika. Amin’ny maha fampianarana teknika azy dia ireo fahalalana ilaina eny amin’ny tontolon’ny asa avy hatrany no hatolotra eny. Aorian’ny fizàrana asa sy ny fampiharana ireo fahalalana dia afaka misehatra sahady amin’ny tontolon’ny asa sahady izy ireny. Nilaza ihany koa ireo manam-pahaizana fa amin’izao fotoana izao dia miditra aloha loatra amin’ny fitadiavana asa ny tanora. Zary lasa miala amin’ny fanohizana fianarana eny amin’ny anjery manontolo ny tanora noho izany. « Vetivety dia tapitra ny ato. Telo taona ihany raha hatramin’ny BAC. Efa afaka entina amin’ny sehatry ny asa anefa izany tsy mitovy amin’ny fianarana amin’ny ankapobeny ary mety afaka hamoronako asa ihany koa », hoy i Ariane, mpiadina hiditra ao amin’ny sokajy « mécanique ».

Mila fahaizana mitondra tena

Rehefa hiditra amin’ny sekoly teknika izany dia mila fitondran-tena tsara sy fahaizana mamehy tena. « Amin’ny ankapobeny efa raisina ho olon-dehibe izy ireo satria homanina hiditra amin’ny sehatry ny asa. Efa izy ireo mihitsy araka izany no omena malalaka hanana ny fomba hitondrany ny fiainany », hoy ny tompon’andraikitry ny Lisea Teknika eo Mahamasina. Miankina indrindra amin’izany no hahafahana mahomby ao amin’ity sehatra ity. Marihina ihany koa anefa fa misy mihoatra ny BAC ny fampianarana amin’ireo sekoly sasany. Mbola anjaran’ireo mpianatra hatrany no mamehy ny tenany sy manova ny hoaviny tsaratsara kokoa amin’ny alalan’izany fanapahan-keviny izany.
Etsy andininy, efa manomanana fampiofanana isan-karazany ny ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa amin’izao. Natao ho an’ireo tanora izay mety ho tsy tafiditra amin’ireny lisea ireny ity fiofanana ity. Maro ny safidy, ao anatin’izany ohatra ny fiofanana momba ny asa vato, asa tanana, fandrefatana sy ny maro hafa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo