• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Radio Antsiva
Image
Vaovao

Tranga voajanahary : Nisy horohorontany hatramin’ny 4.3 amin'ny mari-pandrefesana Richter teto Antananarivo

21/06/2024 09:31 © Moov

Nihovitra ny tany androany zoma 21 jona tamin'ny 2 ora sy 16 minitra maraina. Nahatratra hatramin’ny 4.3 amin’ny mari-pandrefesana Richter izany ary naharitra teo ho eo amin’ny 30 segondra teo. Saika naheno izany tany nihovitra izany avokoa ny mponin’Antananarivo ankoatra ireo izay mbola natory.

Tany Mantasoa ny foibeny

Raha ny vaovao voaray dia tany Mahatsinjo. Izany hoe 5 km miala an’ny Mantasoa ny foiben’ity horohorontany ity. Re hatraty Antananarivo sy ny manodidina anefa izany na dia tany alavitra tany aza. Azo lazaina ho mahery vaika ihany koa izy. Raha ny fanazavana avy amin’ny tranonkala « dangers naturels » dia efa tafiditra ao anatin’ny loza efa mafy alohan’ny loza mahery indrindra izany. Tokony handray fepetra ireo mponina any amin’ireo toerana izay misy ny foibeny araka izany raha diso maharitra loatra ilay horohorontany. Marihina anefa fa hatramin’izao aloha dia mbola tsy misy ny vaovao voaray momba ny fiantraikan’ity tranga ara-boajanahary ity.

Tranga miverimberina

Vao tsy ela akory izay no nisehoana horohorontany ihany koa tany amin’ny ranomasin’ny Vatomandry ary nahatratra hatramin’ny 3 amin’ny mari-pandrefesana Richter izany. Ankoatra izany dia efa miisa 6 tato ho ato no re teto Madagasikara. Teny Miadana ao anatin’ny faritra Analamanga ny foibeny ny alin’ny 31 mai lasa teo. Nahatratra hatramin’ny 2.3 amin’ny mari-pandrefesana Richter izany. Ankoatra izany, efa nisy ihany koa tany Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, Analavory ary ihany koa tany amin’ny ranomasin’ny Fenoarivo Atsinanana. Tsy mahataitra ny mpikaroka momba ny horohorontany anefa izany tranga izany na dia miverimberina aza. Etsy andaniny dia maheno ny fihetsehan’ny tany hatrany ny masinina eo anivoan’ny IOGA (Institut et Observatoire de Géophysique d'Antananarivo) saingy ny ankamaroan’izy ireny dia tsy ren’ny olona.

Matahotra

Maro no tsy mahare ny horohorontany rehefa amin’ny alina izany no miseho. Misy kosa ireo tena mahare ka taitra amin’ny torimasony mihitsy. « Tena nitaintaina mihitsy aho vao nahare iny tamin’ny alina iny. Noheveriko hianjera ny trano », hoy i Suzy, mponin’Antananarivo. Sahirana ihany koa izy raha ny fitantarany vao tafatory indray. Tsy izy irery fa maro tamin’ireo rehetra izay nahare no natahotra. Tranga voajanahary ny horohorontany, tokony handray fepetra kosa anefa raha maharitra sy mafy loatra izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo