• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tsa
Image
Vaovao

Sokatra nariana teny Mahitsy sy Sabotsy Namehana : Ny "TSA Madagasikara" no mikarakara azy

20/06/2024 16:30 © Moov.Mg

Ny Turtle Survival Alliance Madagasikara (TSA Madagasikara) no miandraikitra ny ampahany amin’ireo sokatra, izay hita nisy nanary tany Mahitsy sy Sabotsy Namehana. Anjara andraikitra noraisin’ity fikambanana tsy miankina ity ny famerenana any anaty natiora ireo sokatra tratra avy amin’ny fanondranana an-tsokosoko.

Mpirotsaka an-tsitrapo

Raha tsiahivina, ny herinandro lasa teo dia nahitana zana-tsokatra 342 isa nisy nanary teo amoron-dalana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Vavafolo, fokontany Iadidiana, kaominina Sabotsy Namehana. Zana-tsokatra niisa 200 ihany koa no nisy nanary teny Mahitsy, kaominina Ambohimanandray. Samy nofonosina plastika izy ireo, izany hoe : efa novononina mba haondrana, no nariana. Taorian’ireo tranga roa ireo dia ny TSA Madagasikara no nandray an-tanana ny 340 isa tamin’ireo sokatra 406 nariana ireo. Efa maty kosa ny 66 tamin’ireo zana-tsokatra. Ireo mpianatra mpitsabo biby mpirotsaka an-tsitrapo avy eny amin'ny Departemantan’ny Fampianarana Siansa sy Fitsaboana biby eny amin’ny oniversiten’Antananarivo no mifandrimbona amin'ny TSA Madagasikara, amin'ny fikarakarana ireo biby ireo. Araka ny fanazavana dia tafiditra ao anatin'ny teknika fametrahana mpandimby (stratégie de système de relève), tanterahin’ny TSA Madagasikara, izao fandraisana an-tanana izao, mba hiantohana ny hoavin'ireo harem-pirenena malagasy ireo.

Fitrandrahana an-tsokosoko

Ny Turtle Survival Alliance dia fikambanana iraisam-pirenena misehatra manokana amin’ny fitantanana sy ny fiarovana ny sokatra mba tsy ho lany tamingana. Mifanome tanana sy miara-miasa akaiky amin'ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary ny mponina eny ifotony izy ireo amin'izany, mba hahafahan’ireo sokatra ireo miaina malalaka eny anivon'ny tontolo voajanahary natokana ho azy. Mandray an-tanana ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo sokatra tratra avy amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko ny fikambanana, ary miandraikitra ny famerenana azy ireo any amin’ny ivon-toerana fitaizana sokatra, mialohan’ny anaterana azy any amin’ny toerana niaviany.

Lire la suite

Articles Similaires