• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © France Info
Image
Vaovao

Antananarivo Renivohitra : Efa lasa fahazaran’ny mponina ny olan’ny famatsian-drano

20/06/2024 13:35 © Moov

Maharitra ary miverimberina mihitsy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Efa tsy afaka mimenimenina intsony ireo mpanjifa satria efa lasa fahazarana ilay izy. Milaza indray amin’izao ny avy ao amin’ny JIRAMA fa hisy fikorontanany ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto.

Olana ara-teknika

Olana ara-teknika tsy mety voavaha hatrany no mahatonga ity fahatapahan-drano ity. Faritra ampolony mahery no handefasana fampilazana amin’io fahatapahan-drano io isan’andro. Misy ireo toerana tsy voatonona kanefa efa tapaka efa ela ny rano teny an-toerana. Zary efa fahazarana izany ho an’ireo mpanjifa. Olana miverina foana izany raha ny fahitan’ireo mpanjifa izany. Anisan’izany ohatra ny fanoloana fantsona. Antony voalaza matetika ihany koa ny olan’ny famatsiana herinaratra ka miteraka fahatapahan-drano, toy ny hita eny amin’ny toerana maromaro eny Ivato. Miandry vahaolana maharitra ireo mpanjifa mba hahafahana misitraka rano araka ny tokony ho izy. Amin’izao fotoana izao dia tsy ny olona maka rano eny amin’ny paompin-drano ho an’ny daholobe ihany no misedra izany olana izany. Efa tafiditra any amin’ireo manana ny rano manokana ho azy any an-tokantranony ihany koa ny olana.

Mahery vaika

Azo lazaina ho miha-mahery vaika ity olana ity amin’izao fotoana izao raha ny fanazavan’ireo mpanjifa. « Taloha izahay mety misy rano ihany. Tapaka kely izy rehefa maraina fa amin’izao fotoana izao dia tapaka foana mihitsy. Mety ho 2 ora isan’andro no mahazo rano », hoy ny mpitazona paompin-drano iray teny Alasora. Ity faritra ity anefa raha ny fahitana azy dia toerana akaiky rano ka tsy tokony haharitra ny olan’ny rano. Amin’izao fotoana izao dia tsy mitsahatra ny filaharan’ny « bidon » eny amin’ny paompy. Hita izany na andro na alina. Etsy andaniny dia matetika ny ahitana fa maina tanteraka ny paompy rehefa tsy misy rano. Etsy ankilany anefa dia tsy mitsahatra miandry rano ny mpanjifa amin’ny fotoana rehetra.
Vahaolana maharitra no ilaina. Zava-dehibe izany satria efa anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina isika amin’izao ka tsy maintsy hiena hatrany ny rano azo ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo