• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Msanp
Image
Vaovao

Fampiasana fanabeazana aizana : Hirotsaka an-tsehatra hanentana ny Filoham-pirenena

20/06/2024 12:11 © Moov.Mg

Fanambin’ny filoham-pirenena, ary nambarany tamin’ny lanonam-pametrahana azy tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity fotoam-piasany faharoa ity, ny momba ny fandrindram-piterahana. Tafiditra rahateo ao anatin’ny andry iorenan'ny fomba fitantanana ny firenena napetrany rahateo izany, satria tafiditra ao anatin’ny fijerena ny mahaolona.

Laharam-pahamehan’ny fitondrana

Efa tafapetraka ny drafitrasa fanatanterahana ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana ho an'ny taona 2024 hatramin’ny 2028, ary nankatoavin’ny Filàn-kevitry ny Minisitra notontosaina omaly 20 jona 2024. Tanjona amin’izany ny hampitomboana ny fampiasana ireo fandrindram-piterahana ho 2.800.000 hatramin’ny 5.100.000, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'ireo mpiantsehatra rehetra ; ny fampitomboana ny fahafahana mahazo ireo fandrindram-piterahana sy fanamafisana ireo fanentanana eny amin’ny an-tanatohatra rehetra, amin'ny fanovana fomba fisainana sy fitondran-tena. Isan’ireo laharam-pahamehan’ny fitondrana ity tetikasa ity, noho izy mifandray mivantana amin’ny ady atao amin’ny fahantrana, araka ny voalazan’ny tatitry ny Filàn-kevitry ny Minisitra. Araka izany, tsy maintsy atao izay hanaparitahana azy manerana ny Nosy. Aorian’ny fetin’ny fahaleovantena dia hanao fitsidiham-paritra hiompana manokana amin’ ny fampielezana ny fanabeazana aizana ny Filoha Andry Rajoelina, ka hampahafantatra amin’ny vahoaka rehetra ny tombotsoan’izany.

Efa mitombo ny taham-pisitrahana

Raha tsiahivina dia nanodidina ny 5% ny taham-pampiasana ny fomba fandrindram-piterahana maoderina teto Madagasikara, tany amin’ny taona 1992 tany ho any. Tafakatra 43% izany, tany amin’ny taona 2021 ary amin’izao fotoana izao dia efa tafakatra 63,5% izany taham-pampiasan’ny vehivavy Malagasy ny fomba fandrindram-piterahana izany, raha ny antontan’isa voaray tamin’ny volana ôktôbra 2023, araka ny nambaran’ny Pr Zely Arivelo Randriamanantany, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Misy karazany 10 ny fomba fanabeazana aizana maoderina hita eto Madagasikara, amin’ny ankapobeny, ka ny 2 amin’ireo no natokana ho an’ny lehilahy. Isan’ny sakana tsy hampiasan’ny olona ny fomba fandrindram-piterahana maoderina ny tsy fahampian’ny famatsiana eny anivon’ny tobim-pahasalamana, ankoatra ny tsaho sy ny tsy fahalalana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo