• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena sy fiompiana : Mandalo tombana indray ny fampiasam-bolam-panjakana miompana amin’ ny famokarana

20/06/2024 11:59 © Moov

Notanterahina omaly 19 jona teny Anosy ny atrikasa fizarana mahakasika ny fampiasam-bolam-panjakana miompana amin’ny Famokarana (AGPER). Teo ambany fitarihan'ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana eto Madagasikara niaraka tamin’ny Banky iraisam-pirenena. Ny tanjona amin’izany dia ny hahafahana manombana ny fomba fampiasam-bola amin’ny famokarana eto Madagasikara.

Jeritodika ny hatramin’ny 2013

Efa nisy mpanamahay avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hatramin’ny volana jona 2023, nanao jeritodika ity fomba fampisana vola amin’ny famokarana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny ala eto Madagasikara. Ny fampiasana vola hatramin’ny taona 2013 hatramin’ny 2022 no hatao tombana amin’izany. Tanjona lehibe indrindra amin’izany ny fanombanana ny fahombiazan’ny fampiasam-bolam-panjakana. Aorian’ity fivoriana ity araka izany no hojerena ny tanjaka sy ny tsara harenina amin’ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ny sehatry ny famokarana. Hisy ihany koa ny tolo-kevitra andrasana amin’ity fivoriana ity. Isan’izany ny fanolorana sori-dalana stratejika hanatsarana ny fampiasam-bolam-panjakana sy hanamafisana ny dinika eo amin'ny governemanta Malagasy sy ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, anisan'izany ny Banky iraisam-pirenena.

Fanatsarana vidim-bokatra

Fenitra iray mampihena ny famokarana ihany koa ny vidim-bokatra. Misy fiantraikany betsaka amin’ny mpamboly ny fihenan’ny vidim-bokatra eny amin’ny tantsaha. Ho dinihina mandritra ity fotoana ity araka izany ny fandalinana ny fiantraikan'ny politikan'ny vidin'ny vokatra amin'ny tahan'ny famokarana mba hitondrana fanatsarana. Maro ireo fanatsarana andrasana amin’izany mba hahazoan’ny mpisehatra rehetra tombony. Ao anatin’izany ny tantsaha mpamokatra, ny mpividy ary ny Fanjakana. Araka izany dia ho fakafakaina lalina ny momba ny tombony azo trandrahina amin’ireo vokatra lehibe amin’ny famokarana. Haharitra ity fifampidinihana ity. Hiarahana amin’ireo mpisehatra sy mpandray anjara amin’ny ambaratonga samihafa manerana izao tontolo izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo