• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Foarabe Fampivoarana Fipikri-Fmcd
Image
Vaovao

Sosialy : Varotra sy fampirantiana ary fialamboly no hita mandritra ny Foarabe Fampivoarana

20/06/2024 11:10 © Moov

Misy hetsika fanararaotra ho an’ny mpivarotra sy ny mpanjifa ary ireo izay mety ho liana amin’izany eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny 16 hatramin’ny 21 Jolay. Foarabe Fampivoarana karakarain’ny sampana fitantanam-piainana kristianina (FIPIKRI) eto anivon’ny federasiona advantista Madagasikara Afovoany (FMC) izany. Entana karazany maro no azo sitrahina mandritra izany.

Seha-pihariana isan-karazany

Samy afaka mandray anjara amin’izany hetsika izany avokoa ny sehatra rehetra. Afaka hisitraka izay ilainy ihany koa ny mpanjifa rehetra. Mbola misy ny toerana ho an’ireo izay te handray anjara raha ny fanazavana avy amin’ireo mpikarakara, nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny mpanao gazety omaly. Azo sitrahina mandritra izany ohatra ny vokatra avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Etsy ankilany ny teknolojia maoderina izay araka ny filàn’ny olona tsirairay. Ireo izay mikaroka momba ny fahasalamana dia afaka hahazo ny anjarany ihany koa. Hisy ireo vokatra momba ny fitsaboana ara-boajanahary. Eo ihany koa ny taozavatra Malagasy, ny fiarakodia sy ny moto ary ireo kojakoja miaraka aminy… Araka izany dia malalaka ny toerana ary afaka mandray ireo rehetra izay liana amin’izany. Ankatoky ny fampidirana mpianatra ihany koa izany fotoana izany ka anisan’ny azo jifaina ao izany fitaovana izany.

Fialam-boly sy kilalao

Ankoatra izany varotra izany dia fotoana iray hahafahana misitraka fialamboly ihany koa ireo 6 andro ireo. Anisan’izany ny fotoana lehibe hanehoan’ireo mpana-talenta avy ao amin’ny Fiangonana ny sanganasany. Hisitraka rindran-kira ara-pilazantsara iarahana amin’ireo mpanakanto advantista kosa isaky tolakandro. Natokana ho an’ny ankizy ny « espace enfant » hahafahana miala voly sy maka aina ho an’ireo Ray aman-dReny mitondra ny zanany. Hofaranana kosa amin’ny hetsika ara-panatanjahantena ny hetsika ny alahady 21 jolay tontolo andro. Lalao baolina kitra sy « basket-ball » no hatao amin’izay.
Andiany voalohany ity foarabe fampivoarana ity amin’ity taona ity. Vinavinaina ny hamerenana indray ny hetsika aorian’io fotoana io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo