• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Kianja Barea Mahamasina : Efa miditra amin’ny fanoloana ny bozaka ny FMF

20/06/2024 09:46 © Moov

Miditra amin’ny fanatanterahana ny fangatahan’ny Kaonfederasiona Afrikanina ny Baolina Kitra (CAF) ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra (FMF). Efa ao anatin’ny fisorohana ny bozaka ratsy izy ireo amin’izao fotoana izao.

Tafiditra ao anatin’ny dingana voalohany amin’ny fanoloana tanteraka ny bozaka ny FMF. Izany moa dia anisan’ny dingana hahazoana ny fahazoan-dalana avy amin’ny CAF, ny amin'ny handraisana lalao goavana.

Vita amin’ny volana aogositra

Vinavinaina ho vita alohan’ny volana septambra ity fanamboarana ny kianja ity. Hampifanarahana amin’ny fanagatahan’ny CAF izany mba hahafahana mandray ny lalao baolina kitra iraisam-pirenena ny volana septambra ho avy izao. « Mba hahafahana mahazo ny fahazoan-dalana avy amin’ny CAF sy mba hahafahana mandray ny lalao amin’ny volana septambra indray dia tsy maintsy hiezaka izahay hanaja ny soso-kevitra avy amin’izy ireo », hoy ny Filohan’ny FMF.
Voalohany indrindra amin’izany ny fanoloana tanteraka ny bozaka izay efa mandeha amin’izao fotoana izao. Marihina fa saika taorian’ny 26 jona no nanombohana ny asa. Tery nefa ny fotoana hoy ny avy ao amin’ny FMF ka ho kaofina hatramin’ny rahampitso aloha ny bozaka dia ajanona kely ny asa, ary miverina indray aorian’ny fetin’ny fahaleovan-tena. Aorian’izay vao haverina hambolena ny bozaka ary hamafisina hatrany izany, hoy ny fanazavana avy amin’ny FMF.

Mbola misy asa hafa miisa 7

Ankoatra ny tsy fahatomombanan’ny bozaka dia mbola miisa 7 ireo asa tokony atao. Nanambara ny avy ao amin’ny FMF fa tsy maintsy arahina antsakany sy andavany ireny fepetra rehetra ireny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana ny efitra fisoloana akanjo ho an’ireo mpilalao. Ao ihany koa ny fepetra hiarovana ny mpijery ao anatiny sy ivelan’ny kianja. Mbola tokony ho ampiana ihany koa ny « tourniquet » miasa na dia efa misy napetraka eny amin’ny vavahady aza izany. Hojerena manokana ihany koa ny toerana ho an’ny mpanao gazety sy ny mpiasan’ny haino aman-jery ary ny tsy fisian’ny tafo ho an’ny toerana natokana ho an’ny olon manan-kaja sy ireo manam-pahefana ambony. Tsy mbola nisy ny antsipirihany tamin’ireo asa ho hatao ireo hatreto.
Araka ny fantatra, ezahina ho vitaina alohan’ny volana septambra fotsiny ny asa rehetra. Marihina fa ny volana septambra io no mety hanombohan’ny fifanintsanana ho an’ny CAN 2025. Araka izany dia mbola manantena ny handray ny lalao hatrany i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires