• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Pm
Image
Vaovao

Afrika Atsimo : Nanotrona ny fametraha amin’ny toerany ny filoha Cyril Ramaphosa, ny praiminisitra Ntsay Christian

19/06/2024 20:12 © Moov.Mg

Nanatrika ny lanonana ofisialy nametrahana ny Filohampirenen'i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa, eo amin'ny fitantanana ny firenena, tao amin'ny Union Building, Pretoria, ny praiminisitra Ntsay Christian androany.

Lany fanindroany

Maro ireo Filoham-panjakana sy Lehiben’ny Governemanta avy amin’ny kaontinanta afrikanina no tonga nanatrika ity fotoan-dehibe ity ary anatin'izany isika avy any Madagasikara. Ny praiminisitra no nisolo tena ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, ka tonga nanome voninahitra ny fotoana tany an-toerana. Tao Pretoria no nanatanterahana ny lanonana ofisialy nametrahana indray ny Filohan'i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa, teo amin’ny toerana maha filoham-pirenena azy, taorian’ny nahalany azy fanindroany. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nilazan’ity filoha Afrikanina tatsimo ity fa hitondra fanavaozana sy fanatsarana maro samihafa ho an’ny fandrosoan’ny fireneny izy.

Firenena mifanakaiky

Firenena tsy mifanalavitra loatra amin’i Madagasikara i Afrika Atsimo, ka manana fifandraisana akaiky ny firenena roa tonta. Isan’izany ny fananana sisin-dranomasina iombonana, izay ahitana tombon-tsoa eo amin’ny fifandraisana ara-toe-karena sy ara-barotra, nefa ihany koa manamora ny asan’ny mpijirika sy ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena, toy ny volamena sy ny jono tsy ara-dalàna. Ilàna fanamafisana ny fifandraisana ireo rehetra ireo. Nampita ny firariantsoa sy fahombiazana avy amin’ny filoha Andry Rajoelina sy ny vahoaka Malagasy moa ny Praiminisitra Ntsay Christian, nandritra ny fihaonany fohy tamin'Andriamatoa Cyril Ramaphosa tany Pretoria.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo