• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Minjus
Image
Vaovao

Ankizy nania : Mandinika ny fomba hampihenana ny fotoana hitazonana azy ireo am-ponja ny mpitsara

19/06/2024 17:07 © Moov.Mg

Rafi-pitsarana manokana, natao ho an’ny ankizy tsy ampy taona, no atrehan’ireo ankizy nania any amin'ny firenena rehetra eran'izao tontolo izao, raha ny tokony ho izy. Isan’izany i Madagasikara. Amin’ny maha-ankizy azy ireo, dia misy ireo karazana zo tsy maintsy hajaina, araka ny fifanarahana iraisam-pirenena.

Fifanarahana iraisam-pirenena

Mba ho fanatsarana ny fomba fiasan’ireo Mpitsara rehetra manerana an’i Madagasikara izay miandraikitra ny fitsarana ny ankizy tsy ampy taona, dia manatanteraka atrikasa mandritra ny 3 andro eto Antananarivo izy ireo. Ilaina ny mampitovy ny fomba fampiharana ny lalàna amin’ireo zaza tsy ampy taona, na izy no nanao ny heloka, na izy no niharan’izany heloka izany. Hodinihina mandritra ity hateloana ity ihany koa ny amin’ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara, rehefa avy hampahatsiahivina an’ireo Mpitsara rehetra mandray anjara amin’ity atrikasa ity. Isan’ny hitadiavam-bahaolana ny fampihenana ny fotoana hitazonana ireo zaza tsy ampy taona any am-ponja sy ny hametrahana azy ireny any amin’ny ivon-toerana fanabeazana. Tsiahivina fa manana ny lalàna 2016-018 i Madagasikara, izay mamaritra ny fepetra sy ny fomba fampiharana ny lalàna amin'ny ankizy tsy ampy taona nania. Voalaza ao anatin’izany ny fetran’ny fotoana fitazonana vonjimaika ny ankizy mialohan’ny fotoam-pitsarana, sy ireo fepetra hafa tokony horaisina, mialohan’ny fampidirana am-ponja. Ity lalàna ity sy ny fepetra fampiharana azy dia taratry ny faneken’ny firenena iray ireo fenitra iraisam-pirenena eo amin'ny sehatry ny zon'ny ankizy, izay efa nankatoavin'i Madagasikara.

Akany fitaizana ankizy

Raha ny antontan’isa avy amin’ny ministeran’ny Fitsarana dia manodidina ny 600 isa ankehitriny ny ankizy tsy ampy taona voatazona am-ponja manerana an’i Madagasikara. Miisa 37 kosa ireo akany mandray azy ireo eto Antananarivo, fa vitsy dia vitsy ny any amin’ny faritra raha ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana sy Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Miara-miasa amin’ireo akany fitaizana ankizy tsy ampy taona ny minisiteran’ny Fitsarana, mba ho famahana ny olana sedrain’izy ireo. Mijery akaiky ny olana sedrain’ny Mpitsara momba ny zaza tsy ampy taona eo am-panatanterahana ny asany ihany koa. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy ity atrikasa tanterahina mandritra ny hateloana ity. Manohana ara-bola izany ny tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo