• Cours de change
  • 4774.08 AR
  • |
  • $4466.15 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

Fampivoarana : Lasa tsy matahotra rivo-doza ny tranoben’ny Tanora tao Manakara sy Farafangana

17/06/2024 10:03 © Moov

Vita tanteraka ny asa fanavaozana. Ho voaaro amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tranoben’ny Tanora ao Manakara sy Farafangana. Nohavaozina ho lasa tsy matahotra rivo-doza izany trano izany.

Fiarovana ny tanora

Anisan’ny mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tanora amin’ireo ambana mety ahazo azy ny fananana itony trano be itony. Hanampy azy ireo amin’ny fiarovana amin’ny vohoka aloha loatra sy ny fisorohana ny fironana amin’ny zava-mahadomelina ihany koa izany. Hanana sehatra maro sy mafy afaka sitrahana aorian’ny fandalovan’ny rivo-doza izy ireo araka izany. Hanome azy ireo fialofana azo antoka sy hanampy amin’ny fampizakantenany ny fisian’itony Tranobe itony indrindra rehefa afaka miady amin’ny rivo-doza toy izao. Tsy hipetrapetraka intsony izy ireo raha misy ny fandalovan’ny rivo-doza fa afaka hisitraka izany maharitra. Etsy andaniny anefa dia tsy izy ireo ihany no afaka hisitraka ny toerana fa afaka handraisana ireo mety ho traboina ihany koa izany raha sendra ny loza voajanahary. Zava-dehibe izao fanavaozana ny tranoben’ny Tanora izao satria hanampy azy ireo amin’ny fialamboly, fampananana asa, fampivoarana azy, fianarana teknolojia ary fampizakantena. Samy ao anatin’ny tetikasa FANOITRA ho an'ny Tanora Malagasy avokoa izany.

Nampiana ara-pitaovana

Notolorana fitaovana isan-karazany ihany koa ny tranoben’ny Tanora izay vao nohavaozina. Ao anatin’izany ny fitaovana ho an’ny fampananana asa toa ny milina fanjairana, « surjeteuses », fitaovana fanjairana ary milina fanaovana paty. Mbola nahazo ny anjarany ihany koa ny mikasika ny fialamboly. Notolorana vata fahitalavitra 55", fanamafisam-peo ary zavamaneno ihany koa ity toerana ho an’ny tanora ity. Tsy diso anjara ny manodidina ny fampiofanana sy teknolojia, notolorana solosaina miisa 8, latabatra sy seza fivoriana, ary fanaka birao isan-karazany ihany koa ity toerana ity. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, UNFPA Madagascar, OIT izany fampitaovana rehetra izany. Ireo tanora rehetra ao amin’ireo toerana io no tsy maintsy hisitraka ireo fitaovana ireo. Hanampy azy ireo amin’ny fananan’asany izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo