• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cpgu
Image
Vaovao

Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fampihenana ny Loza : Hatao ivon’ny fiomanana ny tokantrano

13/10/2026 12:42 © Moov

Tao amin’ny Faritra Sofia no nanatanterahana ny fankalazana nasionaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fampihenana ny Loza sy ny Tandindon-doza tamin’ity taona 2026 ity. Isaky ny 13 oktobra moa no hankalazana izany, saingy notontosaina omaly 12 oktobra tany amin’ny kaominina Analalava sy Antonibe ny hetsika, izay entina hanamafisana ny fahavononan’ny mponina manoloana ireo loza voajanahary.

Ny fiomanana ao an-tokantrano no fiarovana voalohany

« Manomboko ao an-tokantragno tsika ny fahafahagna miatriky sy miarigny afaran’ny loza », izany no lohahevitra entina manamarika ny fankalazana amin’ity taona ity. Araka ny hafatra entin’ny fankalazana, manana anjara toerana lehibe amin’ny fisorohana sy fampihenana ny voka-dratsin’ny loza ny tokantrano tsirairay. Ao an-trano no manomboka ny fahalalana ireo tandindon-doza mety hitranga, ny fahafantarana ny fampandrenesana, ny famaritana ireo toerana azo antoka ary ny fandraisana ireo fepetra tokony harahina mialoha, mandritra ary aorian’ny loza.
Tanjona ny hampitombo ny fahalalan’ny mponina momba ny fitantanana ny loza sy hanova izany fahalalana izany ho fomba fanao andavanandro. Mifanaraka amin’izany rehetra izany indrindra ny hetsika rehetra natao, tamin’ireo kaominina roa ireo. Ho an’ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka, ny fianakaviana iray voaomana tsara dia afaka mampihena ny fahavoazana ara-piainana sy ara-pitaovana, rehefa misy loza voajanahary.
Nofantenana ny Faritra Sofia satria isan’ireo faritra marefo manoloana ny rivodoza, ny oram-be ary ny tondra-drano, hoy ny fanazavana. Any Analalava sy Antonibe manokana, izay samy kaominina amoron-dranomasina, dia mety hiteraka fahasimbana amin’ny trano, ny fotodrafitrasa ary ny asa fiveloman’ny mponina ireo loza ireo.

Fandraisana anjara mivantana avy amin’ny fiarahamonina

Miavaka amin’ity taona ity ny fanamafisana ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena. Tsy hijanona amin’ny fanentanana sy fampitana hafatra fotsiny ny hetsika fa hampiroborobo ihany koa ny fampiharana mivantana ireo fepetra fiarovana. Anisan’ny fandaharam-potoana ny fifaninanana « Tokantrano Vonona », ny fampianarana amin’ny alalan’ny lalao, ny fanentanana eny ifotony ary ny Diaben’ny Firaisankina. Natao handraisana anjaran’ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy, ny zokiolona ary ireo olona marefo ireo hetsika ireo.
Marihina moa fa karakarain’ny Governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny CPGU sy ny BNGRC, miaraka amin’ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Banky Iraisam-pirenena, ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana, ny PNUD, ny PAM ary ny FAO, ity fankalazana ity.

Lire la suite

Articles Similaires