14 oktobra : Hanotrona ny fankalazana any Antsohihy ny filohan’ny Antenimierampirenen’i Tchad
Hisolo tena ny filoham-pireneny, amin’ny fankalazana ny faha-68 taona nanambarana ny Repoblika voalohany teto Madagasikara, i Ali Kolotou Tchaïmi, filohan’ny Antenimierampirenen’i Tchad. Any Antsohihy, Faritra Sofia, no hanatanterahana ny lanonana ofisialy, rahampitso alarobia 14 oktobra 2026, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël.
Fifandraisana ara-pirahalahiana
Niainga tao N’Djamena, renivohitr’i Tchad, androany13 ôktobra 2026, i Ali Kolotou Tchaïmi, hiatrika ny fankalazana hotanterahina any Antsohihy. Hanatrika izany lnonana izany, amin’ny anaran’ny filohan’ny Repoblikan’i Tchad, Maréchal Mahamat Idriss Déby Itno, izy. Araka ny fampitam-baovaon’ny Antenimierampirenen’i Tchad, di tafiditra ao anatin’ny ezaka hanamafisana ny fifandraisana ara-pirahalahiana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izao fitsidihana izao. Otronin’ny delegasionina parlemantera sy ireo mpiara-miasa aminy izy, amin’izao diany aty Madagasikara izao.
Efa tonga any Antsohihy ihany koa ireo tomponandraikitra malagasy sasantsasany hiatrika ny lanonana. Anisan’izany ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ny kolonely Rampanarivo Thierry, sy ireo minisitra maromaro.
Hetsika maro hanamarika ny fankalazana
Anisan’ny hisongadina, mandritra ny fankalazana, ny matso lehibe handraisan’ny mpitandro filaminana miisa 676 anjara. Hahitana ireo avy amin’ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena ary ny Fandraharahana ny fonja izany. Haseho mandritra ny matso ihany koa ireo fitaovana fampiasan’izy ireo, toy ny angidimby sy ny fiaramanidina.
Ankoatra ny lanonana ofisialy, dia hisy ny hetsika ara-kolontsaina, hametrahana ny Mozea Philibert Tsiranana. Hitehirizana ny tantaram-pirenena sy ny tantaran’i Philibert Tsiranana, filoham-pirenena voalohany teto Madagasikara, izany. Hisy koa ny fampirantiana boky momba ny vanim-potoanan’ny Repoblika voalohany sy ny hetsika ara-javakanto samihafa.
Ny 14 oktobra 1958 moa no nanambarana ny Repoblika voalohany teto Madagasikara, ka i Philibert Tsiranana no nitondra ny firenena, nanomboka ny taona 1959 ka hatramin’ny taona 1972. Mifanojo amin’ny tsingerintaona voalohany nandraisan’ny kolonely Randrianirina Michaël ny fahefana, tamin’ny 14oktobra 2025 ihany koa, izany fankalazana izany.





