• Cours de change
  • 4774.08 AR
  • |
  • $4466.15 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 10 hatramin'ny 16 jona 2024

17/06/2024 00:05 © Moov

Araho indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 10 hatramin'ny alahady 16 jona 2024

CENI – Voka-pifidianana solombavambahoaka vonjimaika

Ny talata 11 jona lasa teo no nanatanterahan’ny CENI ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka vonjimaika. Nanatrika izany ireo olomanan-kaja teto amin’ny firenena, ireo kandida sy ireo mpanohana azy ireo. Amin’ny ankapobeny dia mihoatra ny 50%-n’ny toerana ao amin’ny Antenimierampierena no lasan’ny IRMAR. Koa satria vonjimaika ny vokatra, mety hisy ny fiovana aorian’ny fanapahan’ny HCC. Samy nametraka fitoriana mantsy na ireo kandida natolotry ny fitondrana na ireo avy amin’ny antoko mpanohitra. Nisy ihany koa ireo kandida tsy miankina nametraka fitarainana, toa an’i Chirstine Razanamahasoa, nirotsaka tao Ambatofinandrahana.

HCC – Fandinihana ireo fitarainana voaray

Roa herinandro aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaika nataon’ny CENI no ananan’ny HCC handinihana ireo fitarainana voaray. Misy ireo tranga izay ilàna ny fampiantsoana ireo voakasika. Raharaha tena nanintona ny sain’ny maro ny mikasika ny fifidianana depiote tao Faratsiho. Ny zoma lasa teo no niakatra teny amin’ny HCC i Lalatiana Rakotondrazafy (mpitory) sy i Nomenjanahary Ramilison (Mily) mpifanandrina aminy. Mangataka ny hamerenana ny fifidianana na ny fanafoanana ny vato azon’i Mily tao amin’ny toerana maromaro tao Faratsiho ny mpitory. Niatrika « audience publique » ihany koa ireo kandida Firaisankina, izay samy naharesy vonjimaika, tao Mahajanga I sy II. Amin’ny fanononana ny voka-pifidianana ofisialy moa no hamalian’ny HCC izay fanapahan-keviny.

Antenimierampirenena # Lany ny LFR 2024

Nolanian’ny solombavambahoaka tamin'ny alatsinainy 10 jona 2024, tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana, ny Volavolan-dalàna laharana faha-012/2024 tamin’ny 21 may 2024 momba ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho amin’ny taona 2024 (LFR 2024). Nanomboka ny 7 jona no nandinika ny votoanton'ny lalàna ny asam-boamiera, ka tonga tamin'izao fampanekena ny tolo-dalàna izao. Tsara ny manamarika fa nanome fanazavana ankapobeny mikasika ny LFR 2024 teny amin'ny Antenimierampirenena ny Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Hatreto aloha, tsy mbola nisy naneho hevitra ampahibemaso mikasika izao lalàna vaovao izao ireo mpamatsy vola an'i Madagasikara.

Toamasina # Notokanana ny MIAMI

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny asabotsy 15 jona 2024 lasa teo ny toeram-pitsangatsanganana "MIAMI" ao Toamasina.Nitokana izany tany an-toerana ny filohampirenena, Andry Nirina Rajoelina sy ireo mpiara miasa akaiky aminy. Nanotrona ny lanonana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Controleur General de Police Rakotoarimanana Herilala sy ireo Polisy maro miasa ao Toamasina. Ankoatr'ireo toeram-pialamboly sy fanaovana fanatanjahatena ary fivarotana maro samihafa dia nametrahana "Poste de Police de Proximité" ihany koa ny ao anatin'ny fotodrafitrasa "MIAMI" . Vita soa aman-tsara ihany koa ny Boulevard Ratsimilaho, lalana mirefy 1,8km mampitohy ny Hopitaly be hatrany amin’ny Lycée Rabemananjara.

Mahajanga # Fanapariahana Lalàna

Niara-niombom-bavaka tamin'ny Kristianina tao amin'ny fiangonana FJKM Ziona Vaovao, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ny mpiara-miasa aminy, ny 13 jona lasa teo.
Taorian'izany dia nisy fanapariahana lalàna, entina hanampiana ny Kristianina sy ahafahan'izy ireo handray andraikitra manoloana ny tranga mety hiseho manoloana ireo lalàna manan-kery. Noresahina ny lalàna mifehy ny Fianakaviana ka notsongaina manokana ny mahakasika ny tolotra na "donation" sy mahakasika ny fandovàna na "successions". Manaraka izany ny lalàna vaovao laharana faha 2024-001 tamin’ny 26 Febroary 2024 manova sy manitsy ny andininy ao amin'ny Fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana. Ity lalàna ity dia natao indrindra mba hiarovana ny ankizy, izay lalàna nametraka ny sazy alàlana famosirana, na ny "castration chirurgicale".

Barea – Tsy nanaiky resin’i Mali

Anisan’ireo mpilalao sangany ireo avy ao Mali. Na izany aza, tsy niala an-daharana mihitsy ny Barea. Marihana moa fa teo ihany koa ny tsy fahampian’ny mpilalao malagasy. Nisaraka ady sahala ny baolina (0-0) ny talata 11 jona lasa teo. Andro fahaefatra tamin’ny fifanintsanana ao anatin’ny fiadiana ny Amboara eran-tany 2026 moa no natrehina. Fahombiazana ny dian’ny Barea tany Afrika Atsimo satria nisy ny fandresena ny ekipan’i Comores, tamin’ny isa 2-1. Ny alarobia 12 jona lasa teo no tafaverina teto an-tanindrazana ireo mpilalao monina eto Madagasikara. Misy fanantenana ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Mondial 2026.

Genève # Fanatrehan'ny Delegasiona Malagasy ny faha-60 taonan'ny CNUCED

Nomen-kaja manokana i Madagasikara nandritra ny fanokafana ny fanamarihana ny faha 60 taonan’ny CNUCED, notanterahina tao amin’ny Palais des Nations tao Genève ny 12 jona lasa teo. Nankasitrahan'ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA nandritra ny lahateny izay nataony ny fanomezana sehatra tahaka ity fihaonambe ity, mba hahafahan'ireo firenena toy an'i Madagasikara manoritra lalana vaovao mitondra makany amin'ny fampandrosoana lovain-jafy manoloana ireo fiovaovana misy maneran-tany. Nanao antso avo ihany koa ny tenany mba hanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena mba hisian’ny hoavy ara-drariny sy maharitra ho an’ny rehetra, indrindra ireo firenena tena marefo

Soavinandriana-Mananasy – Vita soa aman-tsara ny lalana

Tontosa ny fanarenana ny lalàna mampitohy an’i Soavinandriana sy Mananasy izay mirefy eo amin’ny 12 km, tetik’asa novatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Nandritry ny 25 taona dia sakana lehibe ho an’ny fandrosoan’ ny Kaomina Ambanivohitra Soavinandriana sy ny kaominina Ambanivohitra Mananasy ao amin’ny Faritra Itasy ny faharatsian’ny lalàna mampitohy ireo kaominina roa ireo.
Ankehitriny efa azo andehanana tsara any lalana, raha adin’ny roa na tapakandro no anaovana izany teo aloha, amin’ izao fotoana kosa dia 30 minitry dia vita izany hoy ny mponina. Miena araka izany koa ny saran-dalàna satria lasa 5000 ar ny bajaj raha 15 000 teo aloha. Naharitra 7 volana ny asa fanarenana izay mitentina 4 649 729 666 Ariary, ny Talata 11 jiona ny fandraisana ara teknika ny asa fanarenana.

Faritra Menabe # Tetik'asan'ny USAID momba ny tontolo iainana

Ny Alakamisy 13 Jona lasa teo dia nisy ny atrikasa famaranana amin'ny fomba ofisialy ny Tetikasa USAID Mikajy izay vatsin'ny USAID vola ary niompana indrindra tamin'ireo asa fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanampiana ireo vondron'olona ifotony amin'ny asa fambolena sy fiompiana mba ho fanatsarana ny velon-tenan'izy ireo.
Ny zoma 14 Jona kosa dia nisy ny fidinana tany Bezeky izay toerana misy ny Tetikasa "Titre Vert" ho an'ny Faritra Menabe izay nametrahana ireo olona mpifindra monina mba hiarovana ny faritra arovana Menabe Antimena. Izany dia tetikasa eo ambany fitarihan'ny Ministeran' ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin'ny Ministeran'ny Fitsinjraram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ary ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Nomarihina nandritra io ny fanomezana motoculteurs avy amin'ny USAID ho an'ireo kaoperativa, ny Taratasy fanamarinana ny zo fisitrahana tany na ny "Titre Vert" avy amin'ny MINAE ho an'ireo fianankaviana nafindra monina, ary koa ny fizarana "Karatany".

Vangaindrano # Rongony 749,36 kg saron'ny zandary

Rongony 56 gony, milanja 749,36 kg, no saron'ny zandary tao amin'ny fokontany Mariany, kaominina Ampasimalemy ny teo anivon'ny zandary ao Vangaindrano. Sarona ny rongony 56 gony, mitotaly 749,36 kg. Miisa 30 lahy ireo olona sarona, ka ny 14 lahy tra-tehaka fa ny 16 lahy tafatsoaka. Avy any amin'ny kaominina ambanivohitr'Ivahona, distrikan'i Betroka ireto rongony (kasy) ireto raha ny fanazavana. Manentana hatrany ireo olon-tsotra ny mpitandro ny filaminana mba hanome vaovao raha vao misy tranga na olona mampiahiahy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo