• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Mayotte Tourisme
Image
Vaovao

Madagasikara & Mayotte : Fifanakalozana ara-kolontsaina

14/06/2024 20:06 © Moov

Mandritra ny 10 andro ny fifanakalozana eo amin’ny mpianatry ny Oniversiten’i Mayotte sy ny mpianatry ny Oniversiten’Antananarivo. Nanomboka ny 10 jona teo izany, ary tsy hifarana raha tsy ny 20 jona.

Fifanakalozana eo amin’ny firenena roa samihafa

Tanjona ao anatin’ny hetsika ny mba hifankahafantarana misimisy kokoa eo amin’ny lafiny Kolontsaina sy mba hisian’ny fiaraha-miasa amin’ny Oniversite roa tonta izay samy aty amin’ny faritry ny Ranomasombe Indianina. Raha ara-tantara, maro ny fototra ifandraisan’ny Malagasy sy ny Mahorais. Misy ny kolontsaina Bantou izay tena mampifamatotra ireo Nosy roa ireo. Ny teny, ny fomba, ny fiakanjo dia saika mifanakaiky avokoa. Raha eo amin’ny Malagasy, misy ny fomba fitafy ho an’ireo faritra manao ny Salovana. Mianjaika izany koa ny Mahorais. Isan’ny mampiavaka ny fomba malagasy amin’izy ireo kosa ny lafiny finoana. Miroana amin’ny finoana kristianina kokoa ny Malagasy raha toa ka silamo ny 90%-n’ny Mahorais.

Fandaharam-potoana feno

Hatramin’ny nahatongavan’ny mpianatra avy any amin’ny Oniversiten’i Mayotte ny 10 jona teo dia fihaonana maromaro no efa natao. Ankoatra ny tafa tamin’ny sojaben’ny Faikiolten’ny Teny aman-tsoratra sy ny Siantsan’ny maha olona sy ny mpiandraikitra ny Fifandraisana iraisam-pirenena ao amin’ny Fitadidiana ny Oniversite, dia nisy ny fifampizarana kolontsaina malagasy sy mahoraise tamin’ny mpianatry ny Zanatsehatra Serasera sy Fizahantany. Ho an’ny androany 14 jona kosa, nisy ny fifanakalozana niarahana tamin’ny mpianatry ny Zanatsehatra Hailolona tao amin’ny “Club House” Ankatso. Nisongadina nandritra izany ny fampisehoana rindran-kabary amin’ny teny Swahili, tononkalo, fitantarana ny angano « Trimobe » tamin’ny fiteny antesaka, ary seho dihy nentim-paharazana sy dihy maoderina samihafa ; teo koa ny kilalaon-tsaina, toy ny katro sy fanorona. Mbola hisy amin’ny herinandro ambony io ny famelabelaran-kevitra sy fifanakalozana samihafa ahafahana mampahafantatra ny kolontsin’ny firenena roa tonta, sy ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpianatry ny anjerimanontolo. Anisan’ny mbola handray anjara amin’izany ny mpianatry ny Zanatsehatra Malagasy sy ireo voalaza etsy ambony ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo