• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Mandritsara : Nafana ny lanonam-panokafana ny « Festival Sabotsibe »

14/06/2024 16:24 © Moov.Mg

Nanomboka androany ny « Festival Sabotsibe » andiany faharoa, tanterahina any Mandritsara. Manasongadina ny kolontsain'ny Faritra Sofia ity hetsika ity, indrindra ny tsenan’omby, izay sady ivon’ny toekaren’ny Faritra ihany koa.

Dinika sy fampisehoana

« Carnaval » lehibe, narahin’ny lanonana ôfisialy, nifandimbiasan’ny fandraisam-pitenenan’ireo tomponandraikitra isan-karazany, no nentina nanokatra ny lanonana, tao amin’ny Sabotsibe Ambohimandroso. Isan’ny nanatrika izany ny lehiben'ny Distrikan'i Mandritsara, Velomaro L’Faustin, sy ny lehiben'ny Distrikan'i Port# Bergé, Todivelo Cyril. Mpikarakara ny lanonana ny Mama Events ary isan’ny mpanohana kosa ny orinasa Telma Madagascar. Fikambanana maro sy vondron`olona isan-karazany ary vahoaka avy amin’ny lafy valon’ny distrika no tonga nandray anjara tamin’ny « carnaval » namakivaky ny tanàna. Maharitra 3 andro ny Festival Sabotsibe. Isan’ny hetsika hotanterahina mandritra izany ny famelabelaran-kevitra sy dinika, ho fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana sy fiarovana ary fivarotana ny omby. Fa isan’ny tena andrasan’ny maro ny fampisehoana hotanterahin’ireo mpanakanto fanta-daza manerana an’i Madagasikara sy ireo mpanakanto zanaky ny Faritra, toa an’i Lico Kininike, Siska, Din Rotsaka, Jean Rigo, Rootsman, Annicette, Salva Panga, sy ny maro hafa.

Toekarena sy kolontsaina

Raha ny fanazavan-dRabenaivo Laffont, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Mama Events, dia mitana anjara toerana goavana ho an’ny Distrikan’i Mandritsara sy ny Faritra Sofia iray manontolo ny omby. Any an-toerana no ahitana ny tsenan’omby faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara, ka an’arivony maro ny omby mifamezivezy ao ao amin’ity Distrika ity, mandritra izany. Toerana mpamboly vary ihany koa i Mandritsara, ary tena mbola mampiasa ny omby ireo tantsaha any an-toerana amin’ny asa vary. Kitro ifaharan’ny kolontsaina sy ny toekaren’i Mandritsara, araka izany ny omby, ka rariny raha anokanana fotoana toy izao, ho fampiroboroboana azy. Noraisin’ireo mponina tamin-kafaliana sy hafanana rahateo ity andiany faharoa amin’ny « Festival Sabotsibe » ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo