• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Loto mivarina an-dranomasina : Tombanana ho 8 000 taonina isan-taona, ho an’i Madagasikara

14/06/2024 15:31 © Moov.Mg

Marihina any Taolagnaro nanomboka omaly 13 jona, ny andro eran-tany ho an’ny ranomasimbe, ho an’i Madagasikara. Ho an’ity andro androany ity dia niompana indrindra tamin’ny fanadiovana ny sisin-dranomasina ny hetsika notanterahina.

Ho fitandroana ny fahasalamana

Tomponandraikitra sy manam-pahefana ary orinasa sy mpiara-miombon'antoka maro no niara-nientana tamin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, nanadio ny sisin-dranomasina androany, tao Taolagnaro Faritra Anosy. Nandritra izany dia nanentana ny rehetra mba hanadio ny ranomasina, hiady amin’ny fangerena an-kalamanjana ary hitandrina hatrany ny fahadiovana, ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. « Raha maloto ny sisin-dranomasina dia maloto ny zavatra hanintsika ao anatin’ilay ranomasina. Maloto ihany koa ny rivotra iainantsika. Mitondra tsy fahasalamana izany rehetra izany. Rehefa tsy salama isika dia tsy afaka miasa, ary rehefa tsy miasa dia tsy afaka mamokatra, rehefa tsy afaka mamokatra dia tsy afaka mampandroso ny firenena », hoy izy. Rehefa madio kosa ny sisin-dranomasina dia misarika ny mpizahatany ary indrindra manome fahasalamana ho an’ny mponina.

Tsy ho hetsika mandalo

Raha ny antontan’isa nomen’ny minisitry ny Jono, dia manodidina ny 75 hatramin’ny 199 tapitrisa taonina ny loto mivarina an-dranomasina isan-taona, maneran-tany. Tombanana ho 8 tapitrisa taonina kosa izany ho an’i Madagasikara. Mandray anjara betsaka amin’ny fampihenana izany ny fanadiovana ny sisin-dranomasina. Araka izany, tsy tokony ho hetsika mandalo fotsiny ny tahaka izao, hoy ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, fa azo tohizina tsara, ifampitana isan-tokantrano sy isam-pokontany, ka samy handray anjara amin’ny famongorana ny loto isan-karazany, izay mivarina any anaty ranomasina, ny rehetra. Raha tsiahivina dia isaky ny 8 jona no fankalazana ny andro eran-tany ho an'ny ranomasimbe, fa ho antsika eto Madagasikara dia nomarihina nanomboka omaly izany ary maharitra telo andro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo